Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E89E66C4-E231-42A7-9837-95CF30850D4C
2
Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta hianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8F4E9E8-220C-4B6E-97BF-5B4B5B7FB9D2
3
Mivahinia eto amin'ity tany ity hianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa hianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91B59140-9104-4FFD-9738-C1D33BD8D2F0
4
dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF0A1EA4-98BB-4F89-A4E5-1DA796A36CF8
5
satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA9C5190-49DD-4FDC-B04E-530708146B05
6
Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0C030B2-D363-4E22-945C-E7D662898D01
7
Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3894C4-1095-489A-9541-8309B938FACC
8
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E7F8C1C-2CBD-42B6-AC40-760A965525A9
9
Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C04C05C1-6C64-47C3-9860-D8CDFF5810E0
10
Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|363CBFE7-2BB1-447D-8024-0A789A5A14E7
11
Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD833C99-6D24-4F1C-933F-3B27EEC84CFF
12
Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10D895DE-C3D3-4919-980A-696429C389C7
13
Ary nanankarena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87BDC08A-8ABD-428C-A369-68D541E349C5
14
fa nanana fananana be izy, dia ondry aman-osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD455E26-74B4-4F50-A194-1F418B6328F9
15
Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74DD3960-1F00-4E1D-BE29-7E8AC7BB372F
16
Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala aty aminay; fa hianao mahery lavitra noho izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95D17669-40E2-4AD8-A543-8B9BC02E1AD5
17
Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A54EF5D-FDBF-4472-841C-8C38A5E5BEB1
18
Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADBA7FBE-C17C-4C05-99DF-0B5E68201B16
19
Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DF07AB8-9912-47BE-91C5-5B519820CFAC
20
Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697246B9-6F0E-4C68-A39B-84CB9EB0ECF6
21
Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E205D6E-52AF-4B09-A43C-138336003E30
22
Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6C09A8D-6E94-4819-8E5B-277F60D711F0
23
DIA niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2CDD7FC-188E-4662-81C4-5848C905B05F
24
Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6749D90-9348-45E7-8DBF-595C08AFBEF2
25
Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B3EF8A3-0232-4D3F-BAA4-4D1B11663632
26
Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4C30A1-512A-48EA-8011-17A678ADCA9B
27
Fa hoy Isaka taminy: Nahoana hianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy hianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0B392B1-1F40-4156-9E12-CC61324CDF72
28
Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy hianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A2E9A8C-DE02-4EE8-9347-A173F049FDF9
29
fa tsy hanisy ratsy anay hianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara hianao. Fa hianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B2528A3-4B1F-4EC3-A94E-9437BC91197C
30
Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09E49A16-2E03-4E54-83D9-C74057C34173
31
Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ACE182E-8B3E-4F48-B658-EB35F1105831
32
Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D0191F4-4E09-480A-8641-BA4E174382B6
33
Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9188051-FE12-4269-ACBE-FB54C1504872
34
ARY rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA4FBA4F-E5A0-4BA6-81DD-292268972825
35
Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252DF553-3ED0-4B5C-BBEB-995E76103BF5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany