Andininy
Protestanta Malagasy
10
DIA nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|726818F5-2E33-428B-A989-B8B08CC3EBB2
11
Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2545E93E-40B6-46D0-825B-49886DD103F5
12
Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A31551-BE32-45CA-A6B2-08AF6AFEB64E
13
Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2549246-3FAA-4F1D-8588-F3B84F277028
14
ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo hianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27D4D9FE-DC23-4D6C-BBAA-30F5260AED5A
15
Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay làlan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandrapanaoko izay voalazako taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73CD8FB-9A1F-42F6-995B-5D3FDC555538
16
Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9EA4E4F-8FD2-4570-AE25-94D1654FF9CA
17
Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56161039-68C2-4D03-A5FA-39F988ED25B1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany