Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|805AB695-D69D-4DA0-9245-473E2EF1C309
2
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman-osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman-osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86051C30-81B1-4156-9016-4624FA3EFECF
3
Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman-osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman-osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|917D42BF-9FF8-45CB-85F0-23788A15FB53
4
Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A594BDE2-6C50-4AA3-BEEF-1AC2F90645DB
5
Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F121AB42-C5F6-4736-AA3D-D2A66F75FBB9
6
Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zanani-vavy mitondra ny ondry aman-osy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0E687E5-699F-41A6-979A-6125625CB080
7
Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman-ondry; ampisotroy ny ondry aman-osy, dia andeha, andraso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10F7642A-1914-4279-BA42-9B3D7B12C665
8
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman-osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman-osy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDC91B9-20C1-4864-9135-B9264958C474
9
Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman-osindrainy; fa mpiandry ondry izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13397361-4449-4FB7-A313-647D87B3A7B5
10
Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAD0850B-C7E0-4251-B4D2-983642EFF043
11
Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C2BCE10-5DDD-403D-9AA0-9DE98490B1EC
12
Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahe]y fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E853CC2D-0732-4013-95E8-079C22513872
13
Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1A7A21B-22EC-4166-88FE-8A539DFC63A6
14
Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa hianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF278F06-6E97-4D11-B774-12F609E60713
15
dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza hianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9A38DBE-3A90-42B5-865F-65E8CE015E8A
16
Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|299AE4F2-FC9C-499E-A512-6F24928718DE
17
Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikana sady tsara tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4C945D8-A975-4F33-A2E5-5B0ECEEA7D95
18
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|054E4C0A-F5F6-4AE9-920C-2E93C86E35A0
19
Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C4088E-4538-4173-AC3C-FDC732CBED10
20
Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C97B537E-E573-4C26-AAA8-DEDB52900F8B
21
Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EFB2033-A152-4615-89E4-D79227DD0DBC
22
Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|987DB5BA-9B35-4B05-B6D2-33527747F60E
23
Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zanani-vavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E9FBD01-B761-4AB4-A2AA-F82EBBECCEED
24
Ary nomen'i Labana an'i Lea zanani-vavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22E48E4F-932A-462F-A924-E1DC8CF81E03
25
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? ka nahoana no nofitahinao aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C6399A8-DE3F-4F23-8F18-6B4952EB0C7E
26
Dia hoy Labana: Tsy fanao aty amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F58C5B5-2B56-4A71-9DD7-8C1929E06591
27
Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF680A3-3A8C-49A3-8B9A-253E25443657
28
Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahe]y zananivavy ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49771984-34AB-4D4C-9D48-97468A0CB62D
29
Ary nomen'i Labana an-dRahely zanani-vavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|854F9FCA-CC1F-481D-B172-47C2AD02A944
30
Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F3A056-EB61-4D1B-B7D9-4F0D5F1E1E06
31
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan-anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|404CF36F-CC7C-4FD4-86F4-8CC8CDB65485
32
Dia nanan-anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97A985A5-011F-4E60-B14F-E27FACC2E132
33
Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F558CF-D14F-43C7-929C-53B4AD629949
34
Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy. 29:35 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F5F7A0D-5717-45A4-ADBF-FEE258A03B80
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany