Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20067B1E-1ED2-431A-A552-21356FF841EE
2
Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|503F05FA-9FB4-4442-8D93-E3D2CDB128DD
3
Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2718A3DD-A56A-4CFD-A7A9-04966B85E435
4
Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64DB542E-055A-47A3-960D-E4F2811AE770
5
Dia nanan-anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|629C1BC9-FBBC-48B3-BF54-4C07FB5C516D
6
Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A50A17E5-0E8E-43F0-867A-5F8BFCD6A6A4
7
Dia nanan-anaka indray Bila, ankizivavindRahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD7F8B5B-FB82-4201-9AAC-4EE0DF893421
8
Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E497C5-CDED-4910-A908-8A520E49EA56
9
Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8456D6D3-5FC8-4C7E-AD16-7500D96BEECE
10
Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D474761C-2FC5-4682-B029-98F79DA9D614
11
Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D34F7A8D-D48B-494D-B80D-2BD1C5AE14C1
12
Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F311F4A4-5AA1-4562-B47D-912DDEFF7E95
13
Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0301B4BC-3E8F-49FE-8C1C-00960ABD934E
14
Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma hianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A949FD4-AF61-4E90-8968-31D50FCC0573
15
Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62E63647-90A5-4D2C-9AAE-5778688ABEB4
16
Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C323FC1A-531B-4292-819D-E6206ADB7523
17
Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B14EB488-CE80-41D2-A316-62417DE95595
18
Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1919426-0AE4-4BD7-9877-982DA1E0CD8A
19
Dia nanan-anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2517502A-A3B1-4430-950D-6D4AB08E6F8F
20
Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F98DC354-7DF4-4A84-80AD-A26953FDFB82
21
Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9349E52F-9059-4C79-A852-A109A1E39E39
22
Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan-anaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD6D793-E127-4B21-8055-33C28EC94054
23
Ary nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D2C2D2-8E6C-429A-8F23-42AD0E843F46
24
Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CFC0444-CD17-4951-BCD3-AB70039E4DE5
25
ARY rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A329AF82-0D6D-449A-8712-D0AC210A08E5
26
Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBBEE1D9-25E7-474B-96F5-C98E178D63CD
27
Ary hoy Labana taminy: Masìna hianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57FE8C8-490A-4FC0-A038-B8F4608EBF46
28
Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B7D60C3-67F6-4E93-9D01-34AA2C3E5C43
29
Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman-ondrinao tato amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4C40345-FDC1-45BB-B046-44DC9651C483
30
Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75467802-8064-4532-B837-CC8F2D2533AE
31
Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona hianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman-osinao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D580B5-473B-4507-B49F-F2CB527D17EC
32
Handeha hitety ny ondry aman-osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFAFB7CC-3820-4D83-A74A-16FA37389891
33
Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga hianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD22FB4-7719-47F2-828B-B82DC03A3A84
34
Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FBE996A-A29F-4FFB-98F2-580744371BB9
35
Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zanani-lahy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|356B4389-A48E-40A2-A8B0-CB0EDBB86E8E
36
Ary nasiany lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman-osin'i Labana sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93DE3FA9-D13D-4B80-8B95-9E6122208770
37
Ary Jakoba dia naka tsora-kazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsora-kazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CCC0829-5A2D-42BB-8AB4-A3ECB90DF07E
38
Ary ireny tsora-kazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman-osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman-osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA998C57-31AC-4698-9746-0CEFA7149AF0
39
Dia nikambana tandrifin'ny tsora-kazo ny ondry aman-osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF7A9F9F-710E-4F86-9ACC-E7BD6E5781AB
40
Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman-osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman-osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman-osin'i Labana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CD3CD55-B0EC-4679-8E09-3B1F4404A709
41
Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman-osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman-osy ireny tsora-kazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsora-kazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3381760B-0007-4409-8EFA-5992C4EF06A6
42
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman-osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D13C3928-F101-4A04-8C74-50A4DD5B737C
43
Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman-osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEFBBDB-A8A1-472B-AC08-7C75704B5714
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany