Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD459D64-3C86-4279-8D16-ABCFDD50DA1C
2
Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C09F64C-923A-4FED-83C7-5F1BA97D7601
3
Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|050C2084-6EDC-4C04-B9A2-998A4E61D952
4
Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman-osiny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060E7862-7EF6-42CA-A379-5DE2390891DB
5
ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15D62571-AFE0-4AB4-8351-0F87DD70C9CD
6
Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8FAC07C-5D10-4DAB-B7AB-C098CF6CE56C
7
Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako impolo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D8FA6A2-99F8-457E-A821-C5D1F7409890
8
Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman-osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman-osy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058C7CE3-ED0E-4F00-8127-628FDC3B3621
9
Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDA9FE9C-7158-40AF-AD05-F5F624EBDFBE
10
Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman-osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF02A238-84EE-42E4-A709-B183520416BF
11
Ary hoy Ilay Anje1in'Andriamanitra tamiko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B5AC697-58A8-4A9B-81E4-4DF5661BAEBE
12
Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47A5273F-2E5F-43AE-8B97-08A3A57666BA
13
Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B1DA6E-43AD-43F7-94D7-EC89C45E9948
14
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3939D7AD-0C42-49BD-A411-74F6EB8874D3
15
Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50E569A6-7BE1-4837-AA75-491BF6FB72E2
16
Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C180969-E12A-43DC-9AB1-BEA4E5D3A4CC
17
Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|167F5583-65E3-46BC-AA2E-2655C047647E
18
dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman-osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman-ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF5C36E1-31A8-4356-9B26-C2B747147176
19
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman-osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDE410AE-7A2F-4CB3-95F0-56CD1A8AC4AD
20
Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E20DFE0-5777-46C5-B468-969623856D2B
21
Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3605124F-7D5E-486A-BAB7-9A6218164CE1
22
Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81F07E76-34FF-4124-9F45-5E2EBC0E2BFC
23
Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy làlan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A52FD8F-5D25-47A4-93DA-08B08D3AE1C7
24
Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05283552-72E2-4D75-8451-B96B85746EE8
25
Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CC8222A-6FA8-45E1-B423-4BD733249A68
26
Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko hianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D19A8A23-D09C-4DCB-8D88-9B5D1C11791A
27
Nahoana no nandositra mangingina hianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko hianao mba hanaterako anao amin'ny fifa1iana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0125F5F-E88E-4A4B-9E6C-0DAD7B6FC045
28
sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A493809-0777-49F1-9A82-23048B650176
29
Manankery hanisy ratsy anareo ny tànako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B3C3831-0F2C-4731-A2BC-2460869DE099
30
Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa hianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra hianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9746CE44-3487-4C3B-978E-457FD612313D
31
Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|753AAD3F-C2C2-4771-92D3-F89B8D270F69
32
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza ve]omina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|157A684B-A951-4E7E-AFDC-12FBCE0798C7
33
Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-daindRahely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0869B85F-B87F-4A59-96A8-3AC80542E5C9
34
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82FACC69-9B1F-4AC1-9364-EA884D72919B
35
Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D81BEE3-6484-4B16-AB52-A4306133191A
36
Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D7BC309-DD00-4FF6-A17E-B2A6D3EB94E8
37
Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDB0DBDC-EDCC-473A-9064-66090F732EB6
38
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15DE269A-6F13-425A-93DF-8446FACF6306
39
Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tànako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4609CC-11F9-43A5-AF21-70FA2D9F6355
40
Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02ADEFA9-C5E9-4DDE-8B70-D317760C4804
41
Izao roapolo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry amanosinao, ary efa nanova ny karamako impolo hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFA491CC-7E1E-43C5-801E-8F6FB1D9C5B9
42
Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|013E0C4B-458E-45BD-933B-AF931C48794A
43
Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman-osy ireo dia ondry aman-osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A2C8B4-F8F8-43CF-A5AE-4050EE0AD668
44
Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy hianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB0EF7F4-30D4-44F8-84BE-EFDB078A1C50
45
Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417F4105-294C-4304-9666-B27348C87457
46
Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangôna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E919D9FD-71C0-4715-8E15-0F71B4F26B96
47
Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1422D81-3884-4D39-88EE-DE6E705058A6
48
Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67489495-EB1C-441C-9501-0AA72938EE6D
49
Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy hianao, rehefa tsy mifankahita isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D202B28B-1ECA-4B4E-BD00-250F3CFC3644
50
Raha tahiny hampahory ny zanako-vavy hianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|826D8587-4249-4CA3-A095-C7D2BE6C5B56
51
Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E1BFA8F-D7D0-4F28-AF70-A0F321A72EA3
52
dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranaoity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankaty amiko kosa hanisy ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A325DA8-18FB-46CC-B225-E82C55A7C7DC
53
Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B6BE778-980C-4FD0-8E55-AFF5529E67A2
54
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D01CBF75-3A0F-49DE-B9CE-757227C36405
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany