Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zanani-lahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83A6B821-14FB-4548-8591-76AC4129A483
2
Ary Jakoba nizotra tamin'ny làlan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B294479-DEF7-4063-B8C6-C8704517F668
3
Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31DA5BAD-753B-4ECB-BCF5-248E90CFA0E1
4
ARY nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4604BEF-5DBB-45D3-9F91-7425DF9ABFAE
5
Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC007E4F-F1CF-4A4E-825A-4821168B90E5
6
ary manana omby sy boriky sy ondry aman-osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AB6097-CF01-45B1-B154-AFC649338265
7
Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39D64ED4-6287-4FB0-A32E-511AE4B3E421
8
Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman-osy sy ny omby ary ny rameva;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6D445AC-DC2A-413C-8628-A89313D66001
9
fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E48A40-6573-4852-85A0-61DE4EB1D9E2
10
Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CB0F1B7-DCAC-4449-91FB-6BC7D696B945
11
tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindrampo rehetra 8y ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49CCD7F8-4971-4CCB-8772-D668B32717A9
12
0 vonjeo aho amin'ny tànan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB528804-A88D-4D27-B2E6-86F14FC38F43
13
Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4A6BA3-141C-490D-9772-BC7C125A3FFD
14
Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03282BA7-0981-4FD5-8D94-277695E6B62F
15
dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F84E60-B5CC-44CB-B1EA-C5F90C4B44A0
16
ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBD8FD6D-3B5B-4402-BD00-E6974DEB9F90
17
Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACAD39C8-75B5-4728-B2BE-4351F20543F4
18
Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza hianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21BD6790-5268-4558-9F06-FAB90C27DA8A
19
dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69847129-CD84-4C57-A022-8B5CF527CC1B
20
Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5F6619F-D8AF-48E3-82BA-AE5BF7ED38DC
21
Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaiko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|956869EB-DD66-4925-8981-C5CEE9F448F8
22
Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|731E06F0-A313-46EC-A884-EE4E48C07912
23
Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zanani-lahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitana tao Jaboka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3622F33F-2054-43A5-AA4D-2ED7F56E34BD
24
Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAEFD8CF-BDE1-45B5-8143-53EDE0750359
25
Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA50D7DC-469B-4A75-9516-3247A0ADD9AF
26
Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0B1EFAC-1B51-4D2D-AF0F-2914675ABDB6
27
Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C7C35C-3C84-4FDF-ABA5-90DF908AF67C
28
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A00A832E-6AAE-4C09-BFAD-12FF0D4A903D
29
Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona hianao ka nahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACB8D1F-E895-47C8-8161-C4EB2272F414
30
Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2A93224-2C82-4129-90DB-CC23C14478EA
31
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B50D6054-8701-44BB-B375-71C39CE14357
32
Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F488E70-73C9-422D-B654-E998EE06E9D2
33
Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDE59D1A-7B11-4756-BC0F-050D61307BE2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany