Andininy
Protestanta Malagasy
24
Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAEFD8CF-BDE1-45B5-8143-53EDE0750359
25
Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA50D7DC-469B-4A75-9516-3247A0ADD9AF
26
Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0B1EFAC-1B51-4D2D-AF0F-2914675ABDB6
27
Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C7C35C-3C84-4FDF-ABA5-90DF908AF67C
28
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A00A832E-6AAE-4C09-BFAD-12FF0D4A903D
29
Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona hianao ka nahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACB8D1F-E895-47C8-8161-C4EB2272F414
30
Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2A93224-2C82-4129-90DB-CC23C14478EA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany