Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C523B4A1-A61E-4B34-BEEF-E549E206688E
2
Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7B9C3D8-035F-4060-99EC-C45903F2CF06
3
Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76B48208-1BAA-4666-B785-9754380BE941
4
Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9792B068-62D4-4AFA-8A72-793019612342
5
Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zanani-vavy izy; nefa ny zanani-lahy mbola niandry ny omby aman-ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFA49372-3A6C-40C8-B37B-359D5910EC1A
6
Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE5E64ED-4C30-4AB6-90C3-4B42D581424D
7
Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A24F0E0-BFC3-46C8-A498-DBAA5CFCB0A7
8
Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna hianareo, mba omeo azy ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E722DC67-9E14-465B-8C72-945E38BA98F3
9
Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C066DC4B-20D3-4D20-ACED-546D1FE7EB56
10
Dia hiara-monina aminay hianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C06B228-43ED-485B-8EFB-3ED669580801
11
Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC31DA2-B9BA-4046-ABB3-3187B84423ED
12
na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99467980-949F-4ACE-8F8E-94E7C0357DCF
13
Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97247EBE-D77D-4953-98BA-386B36A04CBB
14
ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D74C437-DA86-4B18-A78A-D05BE8735C77
15
Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay hianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|117A5701-5079-4B47-9C45-C53B5DD11F6D
16
dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE1B4711-8696-4190-9ED1-EFAE593769AF
17
Fa raha tsy hanaraka ny teninay hianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7552F7A1-9FAF-4441-BAEC-94F3488B1684
18
Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2708A53D-83C2-46F6-A18F-5256CA989F2E
19
Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E420A40D-B421-4241-AF55-19708CCAE403
20
Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tànanany ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0F65950-2195-414C-A207-F5AB4DE0A110
21
Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zanani-vavy dia aoka halaintsika ho vadintsika. ary ny zanatsika-vavy dia aoka homentsika azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD4C2A16-D953-46B6-868A-204E63290A51
22
Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|448D597B-180A-49AA-9AA5-F6CD886423B6
23
Tsy ho antsika va ny omby aman-ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24674159-9D76-4B9B-A962-0BBE0181C6D4
24
Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB66BAB0-C2A0-4449-A670-ADC273271D89
25
Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2522F079-82B0-4FA9-AAA1-4E024B63D7C6
26
Ary Hamora sy Sekema zanani-lahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD1937AB-F0AE-451C-888C-022AD7F7F8A3
27
Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F089CBF-ADB4-40AE-8408-F6C980810E6E
28
Ny ondry aman-osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9729B121-B105-40B6-9FEA-580345C82493
29
ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFB5A938-616E-4730-BD65-E316BEFFF1C8
30
Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko hianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|219AB362-6800-4111-9A70-487ADEE44A9C
31
Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0445A3-51EA-4FCE-942A-21934DA07D87
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany