Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02FFD759-AB35-419C-AE3E-E4B592A9313F
2
Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D68C2BC9-CAE8-4ABD-A883-EBD20D55B014
3
Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0A0F75F-665B-4D3D-A686-5C578D112C49
4
Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EFDFC6A-7660-4990-872A-58D2D1FDDBF1
5
Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F315C986-D8A6-4F62-9D82-DBBDCE4DAE53
6
Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76DBF4F6-73F4-42DA-B7AA-73BE1E2210A7
7
Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9729FF9-856E-4E8D-B621-C086E1B81498
8
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va hianao? na hanapaka anay tokoa va hianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|307D1180-BCAA-49DC-A45F-520C51284BEA
9
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE48291-1DCC-4165-B81E-E2806DE685F7
10
Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A164C56A-EE0F-4095-BD9A-D4D894D49A1C
11
Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EAB95B0-353B-4049-89B8-D8A1F4716AD1
12
Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9719AEF-2765-4027-A83E-A29B086A4AB7
13
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy hianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E326CC6E-ED77-4F4C-91DE-2B414F7814A6
14
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna hianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman-osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90D43E5E-C91C-46C8-8CFA-84A6D7D5AC27
15
Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CE3F204-B1BB-4E23-8A40-79B7C948865E
16
Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna hianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF2EA4F9-D40A-44DC-B026-8DDD3F3D144B
17
Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427055D1-0884-4C4D-A07C-7A8F290CFF88
18
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BA637A-DF6F-496E-AA93-180C69B53FBC
19
Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61468353-606C-4BBC-9CE8-47E54D57C626
20
Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD828EAE-E9F9-40EA-B491-6DF8A63EB9C5
21
Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|724DFF62-3944-4D30-B8A4-98EC235E5AD3
22
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-dra hianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka ety an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tànana aminy hianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tànan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2771B1EF-7E6C-4602-871F-AB90FA58E471
23
Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CBED089-3BAF-4A2C-915B-E0EE3DE51954
24
dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy raino tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C24F7977-B924-4EBC-B355-8BECDC962E04
25
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4F74810-7E91-4BBC-AB7D-242ECC8B5E20
26
Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D84F93E5-978A-41C1-B5BE-0C09209CD14E
27
Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tànantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFD8C477-6246-44A2-A816-B163F495D18A
28
Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CF8893-7166-4FC5-AB0B-46C4DA0EF981
29
Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12A6B752-8649-48DD-B4F4-942370ACCC99
30
Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA92E26-E3CA-4B83-8FFB-1ADFA2E1649F
31
Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny ra ny akanjo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F3AC48-96DC-48DC-98C5-A106B956ABA4
32
Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|124D5B15-294C-4439-AA09-AFBDFEA38365
33
Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|093051F4-FDA0-4ACB-B68F-0D286DC6AF2F
34
Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2AA076C-63BE-4A4C-98FD-0C2885ADE71D
35
Dia avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A4DDCFC-2A54-4465-BDFD-D2129546747F
36
Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F43D3812-A66D-4499-BA7F-8DBFBC129708
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany