Andininy
Protestanta Malagasy
17
Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427055D1-0884-4C4D-A07C-7A8F290CFF88
18
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BA637A-DF6F-496E-AA93-180C69B53FBC
19
Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61468353-606C-4BBC-9CE8-47E54D57C626
20
Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD828EAE-E9F9-40EA-B491-6DF8A63EB9C5
21
Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|724DFF62-3944-4D30-B8A4-98EC235E5AD3
22
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-dra hianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka ety an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tànana aminy hianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tànan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2771B1EF-7E6C-4602-871F-AB90FA58E471
23
Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CBED089-3BAF-4A2C-915B-E0EE3DE51954
24
dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy raino tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C24F7977-B924-4EBC-B355-8BECDC962E04
25
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4F74810-7E91-4BBC-AB7D-242ECC8B5E20
26
Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D84F93E5-978A-41C1-B5BE-0C09209CD14E
27
Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tànantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFD8C477-6246-44A2-A816-B163F495D18A
28
Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CF8893-7166-4FC5-AB0B-46C4DA0EF981
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany