Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E036064-67A4-4FD0-8E54-879D5A9231DE 2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8334E41B-0301-46F3-B94E-F2E01904D731 3 Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A90D60E-2AA5-4781-963E-569F008368AD 4 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F03FCC6-BAC8-4741-BAEF-A01D010A92B4 5 Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC20B48-566C-4DBF-8F14-FBE97839012F 6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EA3A6F7-D31C-45EE-9A97-2D3B44F1F473 7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B9C28B-928D-47C2-A4F8-50456AD76F64 8 Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29C7641F-3AC1-4A00-8815-677226B7FDB4 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy hianao ihany, satria vadiny hianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F3CEC4-E07D-4D8C-B3E8-59BED86E578E 10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan-andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8DA3B4C-2594-46FF-B276-62AE9D28F26F 11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F148E3F8-8CD7-4251-AE53-3BCE1B070700 12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72F15113-1C86-4576-BFF1-062E87D1550B 13 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56A64A68-AFB8-4217-A120-5468E4BE7B18 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46F864ED-ECA2-4ABA-80CF-0A02615331FD 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56DEB0F6-CE2F-4F93-8FD7-1EB6272E9EC0 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24580BF2-4F62-45D3-884E-C64EADFD88B9 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C76DB41-0435-4BD8-BAAA-BF375B7B25FA 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9DCCDAA-B6C4-46F4-B872-E815D1F916CC 19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CBDAE2-B6D6-4982-BC06-2FBD9230B046 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano maizina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14861F11-6059-467C-819E-3CE13473B241 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BF9C5D-8437-42DB-96D2-3D57F9F9A35B 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2733BFA9-591A-4169-9157-2A0085F292A6 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|284077C8-87D5-4D15-BFB1-F74EF4D03879
|