Andininy
Protestanta Malagasy
21
Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695D9FFA-F3B9-4AFD-8238-4BBC210FD454
22
Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino hianareo; koa indro fa adinina ny rany izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A23B9B0-D813-4D4C-B3B7-5EC8DBFE0392
23
Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDF3BD54-0283-4F3B-96BE-B56662683823
24
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24BA05B4-3DF1-43DC-B41F-5817C77F4705
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany