Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF6708C8-A9CE-499D-9740-2362FB584DD9
8
Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D04E20E-D21C-4AB8-AFB5-260CE8CCC19D
9
Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo hianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C04BD961-B52C-4B07-8ED4-224D8699045E
10
Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4160140-68E0-44A0-88C0-C072F1B4D2E2
11
Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F8F6DF2-232E-4C71-A229-C108F10F3D61
12
Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83842CB8-09C0-48D8-91DE-798C92D9042C
13
Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D62EDC0-9816-491A-8284-F84812EEDA34
14
Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo hianareo no marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5EA7316-3191-4362-885F-BABFC5581083
15
dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga aty izany zandrinareo faralahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAE176CF-714B-41C8-981A-0980B434EF4A
16
Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F810020-5F52-4BAF-A784-4EECF9B4946D
17
Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C3DC647-9151-4B6C-96A5-AB2984664DF7
18
Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC9D576F-FE31-4B67-8474-23DA791E7C1F
19
Raha olo-marina ary hianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana hianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6832A73F-DE5B-4526-A8FD-D55F473F0F17
20
ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina hianareo. Ary nataony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EB790A0-335D-4D66-B6A1-3420D0832C28
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany