Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCC29A18-5125-4AC0-9EA0-C4AF213FE20E
2
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2E9C0DE-97FB-42BE-9451-CC272F97A3E4
3
Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB3D6D48-F0CA-4094-A883-E4A8616AC724
4
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana hianareo namaly ratsy ny soa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEFE37BE-A348-4F5C-B9FA-2AD6226FEADE
5
Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79930E69-CFFA-46A0-98C3-DE425037ECAC
6
Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CDD82A4-3444-4FD0-96E0-CA5CFB3025D5
7
Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7994D94-F019-45A2-86FB-C53738F1A675
8
Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray taty aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD0E89C9-7BC6-487D-B1E9-5CE7B79EB276
9
Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA1AD93F-62B7-4F69-8F19-3FBE18729742
10
Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa hianareo tsy hanan-tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09598854-7B39-4536-B606-2DCC8817C833
11
Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97FFF5D7-FEDF-47B1-AD8A-C7C8A739CC66
12
Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05AA5CEA-77B0-4D20-9CC1-3808C92B0CEB
13
Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FEF49A5-39C7-4068-901C-B56C040E4F4A
14
Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71808BC3-19C9-4435-8EC4-619CE1C0FCF4
15
Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|840FA29D-B2FE-4F20-B4ED-11646B90BED9
16
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1B36446-5CCD-43C5-9CA0-D6FC9AEE79F2
17
Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa hianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB11BB8D-096B-4F82-A73A-F8F98248F961
18
Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A566AFC0-B059-4514-A09F-D3769CEBB056
19
Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BC8C5E3-6861-437C-B531-9B9B5B5A6701
20
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BE64003-1B1B-42B8-837F-003C63995E7E
21
Ary hianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|892D0080-4A35-44B2-9ED1-13F9A338D4D0
22
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BF026E4-CE66-4E75-AF8C-CEE8EF057E03
23
Ary hoy hianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A4DD8FF-B8CB-4E6E-A1F7-F61270409FE6
24
Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4CC44D9-9182-494F-A7C5-715E2BB3A7F3
25
Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46CB78E0-643A-4207-ABA1-9BDDE0F1D258
26
Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F5F815-DCEF-4726-B0A1-E242FD9ADDB2
27
Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B8850C7-9A4F-44AE-91AA-24A26ED5F0D5
28
fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFB7DB41-621A-42B6-A0BC-CEE3A9859D2E
29
ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainantsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|722C5CB0-601C-4C3A-8C70-2F7D643A565A
30
Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B43EAF87-1DA0-470A-B779-D5EDFA59AFC2
31
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EFFEAB1-5560-4E2B-AFF3-8D762FECF24A
32
Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko aty aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|056C27E8-2EAD-472D-89D2-F8C7E38BE5E4
33
Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C6BBFE3-58D0-4808-BD6F-72062A9A5175
34
Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DC56C0F-2AF5-4A20-904B-774A6451D04B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany