Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC0BA2C-ED7F-4ADF-8DC1-9B7A66BD66BE
2
Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8302AAA4-4EFE-498B-9777-22E42857F2C8
3
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD23369-AF94-430B-934E-A68DCC02E752
4
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatona ahy hianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99F226A8-D466-461A-A497-EFFF5F62FEF7
5
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB2C15F-BE73-4899-87E0-44092579B0DF
6
Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D08724-41FF-489B-88B7-A21EEA11343B
7
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D68BF287-DC36-4845-8E94-692B2FB77887
8
Ary amin'izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3371A51D-5D06-4AC0-8912-AEFED62AE986
9
Andeha miakatra faingana hianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midina hankaty amiko, fa aza mijanona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCB85FAB-2FF5-4A25-98FE-4E8C39D2C182
10
dia honina eo amin ny tany Gosena hianao, ka ho eo akaikiko hianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman-osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF1EBCBF-A5D7-47D9-A81F-3C0953816605
11
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena hianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5064C750-5F2B-4A56-B75E-A9164D7CB5DA
12
Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC48172-9821-4AF5-8D36-2E5F6AA4D836
13
Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra aty Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana hianareo, ka ento midina aty ikaky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB34A01-9BDE-4F2F-8D84-7BAD9CB585A5
14
Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43D062EA-F0E0-4DBE-BA37-9EBE0F443791
15
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1152FED0-00CA-4867-833C-A812088F0180
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany