Andininy Protestanta Malagasy 1 Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin' ny andro namoronany azy. 3 Ary rehefa telo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
|