Genesisy 50: 15-21

Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABBEF6DA-3042-400B-855E-21350D426F0E
16
Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D409DA8-FB8C-4895-A530-73D32DA2757B
17
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C132F7-DD71-4D0B-A601-12A8D6AB4769
18
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2733E78-D4D3-482C-BF5F-A78C431D5D84
19
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834D87E1-1698-46B1-93D2-3071375FB56A
20
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAA6636E-6BD0-4ABB-911E-3124554D60FC
21
Koa ankehitriny, aza matahotra hianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|283E848B-9674-40EA-9E75-EE6D5B81FF20
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany