Andininy
Protestanta Malagasy
13
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32886868-8F82-4206-95C7-F203D4A016AF
14
Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42817E4D-A0E2-4E01-A483-C5A521A4B9E5
15
Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-nolo ny sakany, ary hakiho telo-nolo ny hahavony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97D726AB-BA3D-4647-9A82-45E76B198467
16
Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ED212B4-810F-44D7-ABF9-5EEA83EE4776
17
Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D88D57-B129-4F7F-997E-1B92568B7CD8
18
Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F101285C-AF3B-43CF-B1CB-F0A095BE7731
19
Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D16339-188F-4FE9-9A7E-04556C52C4B8
20
Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9550572F-E9DA-4234-90D6-9A81B2572EB7
21
Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angony ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9087EB76-9673-4C0B-93D5-6B31C1D1E357
22
Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B4734C-0857-4CF5-AA26-06230B857821
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany