Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy lehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara hianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE41E01A-7D85-46DA-887E-7D9A6976CE77
2
Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0883B61-EFB0-41F6-B231-6CD91110163A
3
ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFFEBA22-7C19-4919-87C1-9BCBAECCADCE
4
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin' ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B00A1CF-D356-47CB-9D74-2B4A1291055D
5
Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6F2E3E6-6AD7-441D-9101-085641BDC803
6
Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC4466E3-B007-4830-A6C7-89161C0ECC9D
7
Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EF411EC-CA6E-4546-A05A-3050DD3716F3
8
Ary Ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC58F526-5447-43D0-BD08-06847E7DE4E2
9
dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|083500D1-E921-4285-A4DC-57C77E1E6C2E
10
Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403F1ED6-CB7B-40F9-9C31-760F1B28043E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany