Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EF411EC-CA6E-4546-A05A-3050DD3716F3
8
Ary Ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC58F526-5447-43D0-BD08-06847E7DE4E2
9
dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|083500D1-E921-4285-A4DC-57C77E1E6C2E
10
Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403F1ED6-CB7B-40F9-9C31-760F1B28043E
11
Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E29200DB-B3A7-4AD3-9DEC-750926DBE630
12
Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|080C1EDC-4834-478A-8E6A-476BCFECD1C1
13
Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96D18357-5CDB-4A03-9FCA-2565189C6042
14
dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC5D1512-1EA3-4795-A009-B11D00274328
15
Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FD74FB9-82A5-4A12-B5F9-28EF13FAC968
16
Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E0DEFAD-5A48-4BB9-BEE0-5FAFA2CC0A6E
17
Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12EF83B0-BE96-46D0-BE75-7E8B650020F2
18
Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BC2DC5-51F7-4909-84CB-21E9EEF1D8C2
19
Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2AB099B-5942-40A4-8BC9-6A93F7F0F51C
20
Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka vosarona ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17834F2A-C3DF-4D87-B0FC-AB4F1BA9B46A
21
Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DF87430-85F1-46DE-9398-952AB1DC9962
22
Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|043C7C6A-B8F3-4D23-AACB-C7CFCC8C469D
23
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15A6395B-57EE-49A8-A590-BFF16F592E14
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany