Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|716B21D6-D89C-476D-9337-D182E39B1CEB
14
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021AD360-A5C2-410A-9224-AC0B19833F69
15
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C25A9B4-2435-49F2-A55C-7BAD1C1B61BA
16
Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A8AFA3C-1E80-4C07-B9B5-76B0A42D927C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany