Andininy
Protestanta Malagasy
1
FA Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala aty izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91889847-3BA8-42BA-A576-55AD1D3F6516
2
Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A0803DC-AE86-48BF-8F01-D4AEF375352D
3
Dia nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao sy teo imason'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A47B937-0537-4D01-B865-5AA51D536097
4
Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65ACAA7C-C007-44FD-8BC1-2760467CE32C
5
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosohambary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF6C3CDE-DB55-44F3-9EB4-4079AC88F765
6
Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABB5137B-4942-4C23-9BC2-879F2F64DF75
7
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC124F21-A205-420F-A538-20646CDE7E18
8
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana hianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26B139E5-E5D7-481E-9288-AE752A39CE50
9
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7675E310-EBA5-4CCF-B618-8D1C67237929
10
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'ISiraely hiala tamin'ny taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B313916-107F-4DE2-AF40-844B8483A6BC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany