Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D76CC44-0BCC-4980-AD05-8E40B610D541
2
Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669BD4CE-8E74-4DB6-B80B-D7D0E16EA573
3
Mitenena hianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EA0ACE0-F10E-41BA-9683-1B030A797DFB
4
ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hunisanareo ny zanak'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|722BB49D-11DE-4F34-A94B-169F797D5F3C
5
Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595D879F-767D-4281-B014-B87F9C569B49
6
ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD7160A8-67B6-4256-AA38-6E3ADA37FA15
7
Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB6328D2-4282-4E84-8B95-A22605F5DF6D
8
Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF54BB3-65DD-47C1-A553-AF32BBAEDC9A
9
Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A91D319-8A02-468E-8658-B6B3E9D8145E
10
Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C28B5C0E-AF35-4D80-A4B9-178FF1FEA705
11
Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D0EADF5-457D-4084-8877-B65CA5E9D862
12
Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DB07649-4A31-4252-8CB2-F789CBEB5106
13
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47002EAA-E3E2-43F4-893C-AA8CD30A5038
14
Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakIzay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A684F1-7EAE-44F8-A969-67120251F49B
15
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B69428C3-B11F-4397-9C42-A8EB3C42CCED
16
Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory hianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A9A6025-06FE-489B-8BDD-39C9B841062A
17
Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira hianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|672D42AE-210A-47C4-B58A-A686A48088D2
18
Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A970A51-F64F-46D4-A56C-58C8E0FCBF28
19
Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9B17BBD-CAFC-4DF3-B2A7-AC935AC27535
20
Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira hianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|016D14E7-B31F-4DAF-8A89-7384070AE06F
21
Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana hianareo ka maka ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED73B91-B384-4B81-AD7C-967D16CD9428
22
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny ra izay ao anatin'ny bakoly ary ny ra izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy hianareo ambara-pahamarain'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C88AA3-D816-4963-B25A-05D8DAC65978
23
Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny ra eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F697479B-594C-4DFE-ABC1-208659DC958D
24
Ary hitandrina izany zavatra izany, hianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BF911A6-0426-4142-9DEF-FEFDE946C04B
25
Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy hianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|699B2B86-AF39-40DC-AA21-86573BC48E0A
26
Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D071F108-635C-4E73-968B-B43778035112
27
dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny EgYPtiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF810F1-69E1-4ABB-9CB6-0AD0532DD2B5
28
Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95FC1E14-5B19-4959-B29B-674CCDC3ECB5
29
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0E60165-5447-476F-963D-698865608120
30
Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|416E00F6-43BF-41F9-AE49-F12BCEBD21DA
31
Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako hianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehàna ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D4FE788-C099-490C-B4AF-4475A3A7C62A
32
Ary ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehàna; fa mba tsofy rano aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|691F1773-8324-4432-BAC1-187E402E4C02
33
Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09FDBA7E-508B-48F4-9352-6C8CC9A69ED1
34
Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F4E0631-9F19-4CAD-81C9-CED1E0A10A11
35
Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7DBFD67-88BF-4178-815B-7870DB29BAFA
36
Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F634F90D-1F1D-4B0E-9DDC-5E2DC64B1A7B
37
Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia làlana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41821604-C8F9-444C-95DE-414C68B2F025
38
Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman-osy sy omby, dia fananana be indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7704C97E-B85E-4615-B045-95639648B335
39
Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|445472E0-8A8D-4ACF-8052-BB83EF1567D6
40
Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFB761F0-FDA0-4EEB-848C-0FDA4F114CCB
41
Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B82D196-6FC9-41CF-BD31-E8DA5BE1C1F7
42
Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D286352E-EB45-4386-92C3-01ACF01A133C
43
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|067236B0-13CB-49F7-AD21-FE28BFCEE374
44
Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5869B318-5005-4DF0-8F04-5AE469ED2334
45
Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD942BB8-2E37-42B5-805A-2E8267C6E9AA
46
Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5049543B-B5E7-4CD2-BC60-B356F78626F8
47
Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC7F3DF-8E9A-474E-BB10-69D79534627C
48
Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4E0F86C-A922-4C1B-8CF8-04522D0A2132
49
Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCF80CD6-1384-47C6-B1C7-102BCBA1DE33
50
Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9328679F-074A-4AC3-B1E0-769AEA8B38D5
51
Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57605054-47FF-4751-847C-10869BD14D34
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany