Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2301DC57-6995-42AE-BBB8-0F2AB3A5EAB9
2
Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44481989-305B-418C-BB36-C4BF4B1ECCDB
3
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tànana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0C34BC0-ED5E-4B30-89DB-7F5137DB01C7
4
Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D82F6748-88E1-4910-97FA-1EDE30561CF7
5
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany hianao amin'izao volana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76BBF8D5-74C2-401D-AAFB-701ACEFC749B
6
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1103F834-2B82-44E0-BCDD-B65B83970D2A
7
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FF7541D-F0F7-4AE3-9AFE-710922212F0E
8
Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BC0AEF8-D864-4766-8435-630EC83DCC38
9
Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tànanao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tànana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4465C23C-A6CA-4342-9EF9-31C441FD6AC1
10
Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56303BE6-7D50-4CE9-AB17-FB0F90F0E12C
11
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E7C287-F07F-4C05-B204-675C3C3B5B64
12
dia hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F196477-B6D7-46A7-97F0-D532ECE53298
13
ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy hianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia havotanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45569999-16E1-45CE-BB3B-B2DF04C0C60A
14
Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tànana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D72E5D5-5908-41A3-AE28-6D28CA216170
15
ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2505A022-43D2-464E-B391-0E566B79AF94
16
Ary ho famantarana eo amin'ny tànanao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tànana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68A77CA0-813C-4683-95CD-5711891204A4
17
ARY rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny làlana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C592EAC-5827-4C20-A881-15ECE29CB2EC
18
Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny làlana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B91784E-342D-4C39-8A85-052108E1B6EC
19
Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala aty miaraka aminareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01AB2B2D-E299-4D68-A8E6-E941F618F560
20
Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DAAC815-8A63-4244-A0F4-9427933E9153
21
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dàlana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman-alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9E1BEAD-4EE5-4B2A-A6F1-C2D7BA1BF853
22
Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C50648F-52A5-451B-9956-8F21C29B2356
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany