Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595E5ADD-432E-4CA9-846F-B281B338B6D7 2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikan'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA3D905-6515-4C01-92AA-4B522A71FC44 3 Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F5D8B2-C760-429E-8EAE-5794870DB678 4 Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A42A230A-14F0-493F-9B8E-A1DFF1C493A8 5 Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7BB7D34-B280-4CFE-8D58-C172F7F2AF50 6 Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16A02387-2507-466A-BAAE-2801C479CB8D 7 Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ED873BD-8E3F-44FC-B4C4-470EC110BB23 8 Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tànana avo aza no nivoahany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A8A1D39-88CB-48BA-8AD6-BF8224D3D786 9 Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8429EC5-E0C7-4BDA-B9F9-9AB91F1E8C7F 10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F087BD-0807-4E91-BE2C-F2F1CB384AD9 11 Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty aty an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E93952E2-BAA7-4D0B-A646-68E8DA93E2E2 12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDC4AAC8-9276-44DF-AC41-A26058EB6D95 13 Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanôna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8BA58A0-4F95-4D84-9433-B8AD95AAAE44 14 Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B404629E-02F2-4206-8A16-C0CAD3D607E6 15 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9010749A-B812-4A4F-837B-768201F46B02 16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E0A0BF-C340-4A47-BABC-9DF1BE183402 17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|641D05CE-7155-48AE-A012-F0363E4E2428 18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29E20ABC-D3B6-4D7C-8687-17658B5BDC0A 19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1F9A2A3-5795-45ED-9A96-58A37A085E0D 20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BE8BDBC-F840-4BB8-977F-8202279883DE 21 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3392F7C5-881E-4382-A702-BE35189324FB 22 Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A713C201-30BD-4BDB-AF8C-CFC634907A59 23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsovaliny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA8CC7FB-2B21-439E-8B49-A3CA4ABA05CD 24 Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E819CB6-2F46-4A02-BF72-8E6F035DAA30 25 Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DE9F8D5-EFAB-414B-B31A-7920B3641B2A 26 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tànanao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB248C40-EF16-4C70-9FEB-11674E3B4B2C 27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA50A81B-7E8B-446C-8A9A-2C412A679162 28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0614B626-4BBA-4A8C-A18C-C33413B7C703 29 Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28DBADEA-D307-4D2F-8353-526276BAC21C 30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0A858EE-CBF5-459C-ADA4-C8BAE2234FE9 31 Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33886CDB-B869-483D-99A4-4B1B21B66F3E
|