Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20F00028-14BF-413F-9C5D-D9573435AA25
2
Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02BE57C9-EA28-49C3-844B-8F3358CBF4CD
3
Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0122603F-61AA-471A-A627-9348A7114D2E
4
Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5561B287-D64A-4CC7-AA55-B9B9259C867D
5
Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E86F0DAE-3D7B-4345-B94D-569C05CCD191
6
Ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C68A1A65-8A7A-4206-AA8A-FDCBB2CC0514
7
Amin'ny halehiben'ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCB4FD17-1DB7-4671-A0BC-719F4CECF0B7
8
Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5EAAA93-1AAB-4C64-AB10-D6DE13111C22
9
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tànako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A0EC5B1-DFDB-417D-BDE2-FD6F6BB2FFAD
10
Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin'ny rano mahery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A0E47F-514B-4C0A-8473-E1621A712F1C
11
Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BCA7108-C589-4241-A154-398BD6D68222
12
Nahinjitrao ny tànanao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BA7D5BE-616F-4D09-B5DD-534A34533B7E
13
Tarihinao amin'ny famindramponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06D937BB-2216-4D71-ABCC-4E27DCDAF923
14
Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93983008-0AAD-4D7C-951D-078EA4E299BF
15
Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0BE1D81-E369-497A-B0EC-3DB506E8A748
16
Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79267151-F0BF-4E30-B171-6E81C6659FA7
17
Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tànanao, Tompo ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDDEE476-38B8-4B7E-BD9E-18D47B19F689
18
Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49294EE3-075C-49D5-A61C-798AE753A948
19
Fa niditra teo amin'ny ranomasina ny soavalin'i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEAE0DB3-F624-48B0-88F1-DA2C67647067
20
Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin'i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CBAE26-90FD-4800-9551-3D47930370E8
21
Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B460FF96-67DB-4777-A003-DEC418F8CE54
22
ARY Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron'ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin'ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|192505B5-E978-407A-B32C-C3631152C5F9
23
Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F83D174-E1D6-4C2C-9FD7-764BE4A023C2
24
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A966649-95A7-4F49-9DFC-EB312B363B4C
25
Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06F06055-6A94-4812-8FE3-6A280B27AFDB
26
ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABCA659C-7190-467F-B96B-37C181865B3A
27
ARY tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB197179-E88D-409F-9398-04B9C74396F2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany