Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany amin'ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i Elima sy Sinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3D0A23A-B4FC-4FD0-B789-C51C7D4E1A1C
2
Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|954850DA-F653-4A12-A1E7-8677E3C5AA22
3
ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho aty an-efitra hianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8624CFFF-BC89-4538-8FCB-458CD10EB005
4
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan-andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|041C0D35-309D-465B-A64A-3B81ADF8FFBF
5
Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A296D6-E561-4D79-87DA-6C0A558B4CC7
6
Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91BD2AFC-7F3F-42E9-A0CA-02AF7D97429E
7
ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E0E0843-A0A9-4760-A2E3-F1F020490009
8
Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina hianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA2BCF1-230F-4A0E-8B05-4ED679C6B27D
9
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatôna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3DA76F-D0A4-4FF5-9C08-64DC8D8ED6FB
10
Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A385D4DC-5C1F-45DB-901B-7526F94071D7
11
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|496AD7E7-0966-436C-AE70-799F3B73191A
12
Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena hianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo hianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|035EB6B3-9280-43E2-B89D-B4E05B10FB2C
13
Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED308D9-DC2A-4C25-A942-2D51AA3616ED
14
ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A35F5987-5B52-4517-A389-FC860AB89018
15
Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74423479-F2BB-4351-A5A9-F0EF5F9DA945
16
Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy hianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra hianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|272A8744-76AC-4C3C-ADE0-F2B6B1E42E83
17
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29213289-8B36-4096-9EFA-7788E205EF0D
18
Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F030995D-AD2E-4622-8055-60CD62A828A2
19
Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59C245BF-7DB0-45CE-9742-A2EAF65BE80A
20
Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B50193-0F66-4756-89C7-FA622BD868B1
21
Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5831B08A-0DF7-4D0F-99A3-2E6D06E287D3
22
Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan-andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|419B3AD9-11BA-4ACC-BF44-69DBF9CC93E9
23
Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E21FE6EA-DF1D-4CD5-AD08-C9710F29A1FA
24
Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C45096E-516E-43BB-B2C4-2AD00C2F912A
25
Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9DE7B10-C0EC-4E61-87DA-3EFC1960FA5B
26
Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59FB5F70-0BE8-4AB5-9017-DF848102D800
27
Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CEB0922-11A5-481C-A7D4-88A695578620
28
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29C584F7-614D-4902-ADE0-E33DCB9F0B12
29
Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11793719-8933-48A9-84DB-7E7B771BD68B
30
Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F167A922-5864-48BA-A0CC-1817AE9B761F
31
Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C3FBEA6-8A38-4496-B391-659E1A437028
32
Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C2CDC59-D4A1-4A22-BCFE-728115B2C5FF
33
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46D2FF9F-5B52-497F-8390-E194F5094968
34
Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E4E817-C6E3-404D-88E3-627E0751EA61
35
Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E00255-D875-478C-A0C4-6E8F83A3FE04
36
Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C958B7F0-BA89-4593-9F2D-BB801F060601
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany