Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|553B08C9-5C7B-4C01-AFD9-F9A22BF6610C 2 Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A05BB61-258B-4BB2-B21E-6F37341FD221 3 ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny aty amin'ny tanin'ny firenena hafa aho; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B036EF9-96C4-4831-8803-DEB5F4A9580A 4 ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|125D9C75-46EE-4B84-A9A6-8DB2112BF547 5 Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA0DC77-A74F-488C-BEEA-BB245B6A8EA9 6 dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0985DD57-257C-41B7-9472-91EB7E0B0036 7 Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C50006-0978-4C1D-B556-20E927B8C205 8 Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dàlana, sy ny namonjen'i Jehovah azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AF614C2-4509-48C9-A99B-D803DA0A19C2 9 Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tànan'ny Egyptiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B63B82F-E0E1-4EB1-8776-E9EAAEEBAF79 10 Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tànan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|611ED8A4-B33A-4B93-A05A-2A89B401274B 11 Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3689341F-8787-4982-A29F-71A004C6BE0D 12 Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C938B78-537D-4AE0-95A9-F19FD0C14CF8 13 Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6570F21-3DF1-4511-BD7A-CE44D4B0A349 14 Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no hianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|700F16BF-D263-4228-A850-3020A105E092 15 Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D4218EF-CF3A-4B74-A7A5-E316002684BD 16 Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE4F05CF-B403-4D23-B033-6E88A20FDD06 17 Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C5693C3-144D-4AF0-91AD-D40045D17404 18 Samy ho reraka mihitsy, na hianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D609B48C-D22B-4EF1-8688-FEC9E92075E1 19 Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka hianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5181651C-CBD3-4506-8BE6-4462EA209C71 20 ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66C664C0-B431-46D9-96DF-DB414DFD0208 21 Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCCA1420-B76A-490B-B2BD-DB7A06AB704C 22 Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C61BFF8-CF9E-4054-BD86-646E7D66FC00 23 Raha hanao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5493E8D5-03E8-45FE-BDE4-35F15D553FA3 24 Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC60CE2A-D3E4-4336-AAF7-AC8768592E64 25 Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ED0AF7C-1D1A-4DB0-907A-54E02E65E2E1 26 Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|725C26CB-F8B8-4101-A187-29BF9D094405 27 Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F24CFC69-2574-4BFE-917C-48095BF16C80
|