Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCCA1420-B76A-490B-B2BD-DB7A06AB704C
22
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C61BFF8-CF9E-4054-BD86-646E7D66FC00
23
Raha hanao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5493E8D5-03E8-45FE-BDE4-35F15D553FA3
24
Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC60CE2A-D3E4-4336-AAF7-AC8768592E64
25
Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ED0AF7C-1D1A-4DB0-907A-54E02E65E2E1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany