Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY nisy lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2603A9A8-117D-43B5-B341-440B4B85B191
2
Dia nanananaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|984DF7A4-293D-4790-9319-C1AD398B872C
3
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA357F9C-A3E6-4391-B89E-0FD4C684BAAD
4
Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8907061E-B2CC-4FFD-84BD-51CE41EA83B2
5
Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5B497C-027F-4A1D-8747-CD4C6CBC8404
6
Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23D59CFD-EF07-4F54-9DFC-8F3F5054A0B6
7
Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankaty aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|845C9FCE-7C70-407C-9FFA-AC547ACA868C
8
Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79B6FAC0-1DEC-4897-9852-F501EB7FC70E
9
Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|705E4237-1FBA-4B59-AF75-5595F8FF0717
10
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB5D9DBB-A843-48FD-A8BA-B533B1989A16
11
ARY tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA73F70B-4B91-48F1-8558-4B1BBA3B1CC0
12
Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B213BC65-D381-41A1-AC5D-3E3C77813AA1
13
Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76473566-7A70-440C-8A7E-287E91221FAC
14
Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CFEBDF6-5383-447B-B207-C39BBC6FE423
15
Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0CF0C7A-99E2-42B7-B4F5-CF311B532830
16
Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman-osin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10F2823-2563-4B2B-A46D-CBA249E2F609
17
Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman-osiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F0865D0-51EF-4C0C-A64E-E962ACAD8D41
18
Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany hianareo andro-any?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F22DE315-15E4-4937-BF59-CFC11AE8D94A
19
Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tànan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman-osy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|964A0D27-5E3C-4797-9ED1-C6875260A31D
20
Ary hoy izy tamin'ny zanani-vavy: Ka aiza izy? nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? alao izy mba hihinan-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13460BBE-2886-4078-9958-0B3EA56AAD33
21
Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zanani-vavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E069F48D-58F1-4D31-934A-F9338FB48767
22
Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataondrainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny aty amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE087BF4-A4F3-4D30-B320-3177154D9A65
23
ARY tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DA8C969-6891-4885-B3A2-FDF1FEE8576E
24
Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADC838F-168C-4A55-8F7B-90DF8AFC02EF
25
Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4494824-E605-4A35-8E40-A5518B5A282B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany