Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8818ECEC-2455-402F-BDBD-0872199DF193
2
Raha mividy andevo Hebreo hianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEB4EAB3-AB82-4EF5-AF53-397A99A96A70
3
Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BCB79CA-2025-4842-BF39-F2F1B2D696E2
4
Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD36EBC3-6102-45B2-B730-A406C669DE95
5
Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1FE8B5-D070-4386-80B6-9A5E9A263C06
6
dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A1120C-3892-43CB-A52D-15E6ADB78EC1
7
Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E31671-8032-4E9F-8928-E647E0C1A3D5
8
Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|277A85E1-0485-4B3E-8D7F-54B888D5B9DE
9
Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zanani-lahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94C3507-00E7-454C-954B-33593E34D6F1
10
Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8264E361-65D6-4F57-884B-DB87C77212E6
11
Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2F0D8B5-273C-465B-BD09-172F279F4918
12
Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D5C049D-6C4A-44B0-BE38-3EA07791A364
13
fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3E8CC6D-163B-455F-83C5-779F01FCCBA3
14
Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B1F6B02-9667-4143-997D-E48F67A1B6AA
15
Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7962EE7-87C0-42D1-B0EF-062A71E95090
16
Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9243F2-11F4-4724-983F-D246D40AC90D
17
Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBD3A1D6-7075-44C2-B39C-784F94F652D3
18
Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32D81017-C76B-4D18-9485-D416F5418624
19
raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808AD448-4CD5-49C4-814E-65F50138C3EA
20
Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C0F53B-6568-46D0-8761-45BF2E8B3014
21
Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16E22CBA-2B12-43C5-BF77-0A8781EFF1A0
22
Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan-anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91BD4ECD-B9C7-4301-B6CB-BEDEE724F753
23
Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2203AFDD-010C-481B-9435-412C14AAD171
24
maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tànana solon'ny tànana, tongotra solon'ny tongotra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FD8F871-4300-43CB-8D8B-C8DFF91E106C
25
may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|120ED4EB-9BEB-48F0-87FD-9E306A11DD7F
26
Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBB0582B-6845-47D2-9BD1-6A12BDE41454
27
Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23EE2ACF-FE9E-4624-8F29-BB8331679CC2
28
Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09BDCD18-F7A7-4806-BA62-58D0F26D83B2
29
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D4090B6-2C12-48D6-9EB7-D0FA97915AF8
30
Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86C7C123-1FC8-482C-8562-989ADF4C915F
31
Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|095E119C-4F8A-4103-9325-A45BB2AB3BF0
32
Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4465CEDA-9D2D-4C07-89E2-1A3B8F6FB768
33
Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F53F5DB-945A-43AF-A9C3-2F5EF478C924
34
dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD93FFF7-F309-47CF-84CB-16E9D724BB24
35
Ary raha misy ombin'olona mandrata ny ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BCA1433-C6A3-4EA0-9C0E-0F3EF49C2FE1
36
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D714D9CC-1E00-496E-8651-3385D5D6401A
37
Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5304BD1-B465-433D-B135-E52670737B82
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany