Andininy Protestanta Malagasy 1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tànana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C8DEAB-1EFA-4479-B8FF-162D27FC8F7E 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BFE7C2C-7C42-4406-AEDF-10DE390E69B7 3 Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ADDA427-D1FF-4F81-AB7C-2CD9532AAB11 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D1CD2F-D558-418F-A8A0-EF3249334925 5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy hianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74DBFFB2-84B9-4DD9-8D7C-26EDE1CEB298 6 Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE65C98E-4A4D-4AF4-BD00-57ADCEB38173 7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina hianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3083AC7A-F56E-49D3-8764-AC1C09814787 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCCD311B-81AB-4F53-BBC6-631356B40446 9 Ary aza mampahory vahiny, fa hianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|446C0CDD-3DBD-4743-86EA-0114DA8300E4 10 Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2A217D-825A-47AC-B63B-296A5A4E4020 11 fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanimboalobokao sy amin'ny taninolivanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9303773-BD95-49ED-862C-EEB5337E1487 12 Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra hianao, mba hialan'ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|032EF487-3BDA-47B6-B449-271A7C6E8CBB 13 Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory hianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50D79AFE-A1D9-4B52-AD0B-EE990E7D4730 14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BF0AE0F-9A06-4DED-81A8-E241740B5E24 15 Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|630965CD-A82A-4B77-84EE-661BE1D01E59 16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41CED657-1ACB-4F0D-B00D-415CFD809C67 17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF4ACF5B-6938-4269-84AA-A397D5E95DBA 18 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy hianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.l qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AF010FC-F6A9-48A7-9155-E88DE72E007F 19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0362194-68DD-41CE-B151-06846EA7F00B 20 INDRO, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C3352A1-2521-47ED-968D-F44F8FC25928 21 Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6BC8561-0A90-4BBE-8081-6174FC388DFC 22 Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A887F679-2E8A-49F9-9D13-1454BD1DC2CB 23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|565912AA-5E5A-4E99-BBCC-378AFCDF6276 24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E49830-1F7C-45C1-A10F-D037719EFB4C 25 Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60E11387-ACCD-4E96-BE05-8BFC97CF0CE6 26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A913810-55D0-4D2C-9E07-44FADDEA1A1F 27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E54F999-A0EE-4277-8F96-865D350AC662 28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|327A37E0-9C6C-477F-BF9B-3E2C46EAB760 29 Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23C9196-296A-42B6-A046-A86EC436A6CF 30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECA1DD68-EAD0-43C0-83E3-44054112C320 31 Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tànanareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D0B4A38-1186-4211-A2B3-8C910BDAC01E 32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7CE30BD-593A-4C5E-8471-7FE22444F869 33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny hianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A7ED0A6-B406-4491-AF94-5512D8DB9C9D
|