Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah hianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF822681-269F-4900-A530-9F6AA1F17F9F
2
nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E54833-946A-40BE-A0C1-8D8E0639DBB6
3
Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D63646D-37FD-421D-96EC-646624ABB49B
4
Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83966D1A-43F6-4C23-B089-CFF5038E2B4E
5
Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CCB88E4-604A-43DD-8BCC-E9160943602F
6
Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa natopiny teo amin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5948775-197B-4BDA-B89C-8D51E591397F
7
Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F92868BC-B5ED-4A5A-BF7B-4E23125807F1
8
Ary nalain'i Mosesy ny ra ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40F51F32-199B-42F9-8510-BF39FB431FC0
9
Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E5BD0BE-7FAA-475C-A886-1B9C3BDC580A
10
Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05266DCC-C07F-4F3B-AE96-222BD2634697
11
Ary tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AA967DB-DC8E-4D3A-83FC-A01C96EF214C
12
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F57D8F78-1A46-47F9-85AC-8712CDA82CA7
13
Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7714476-65D0-435F-A6CE-A82D233EFDEF
14
Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|112A9786-F43B-4EA9-8114-C3254FD0B125
15
Dia niakatra tao amin'ny tendrombohita Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8074D0D8-619C-4DCD-A9C9-3B2F14869883
16
Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE881A64-D3A1-4F00-972A-C11F41B676A4
17
Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACFFEE26-E1C9-46C1-8DCF-09488646EB6D
18
Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC0F46FF-53C5-4B39-B309-EE6AD4C56B36
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany