Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny tabemakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8278B3A1-02D3-4BEE-9BE1-5150365A2D78
2
Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E4FD585-387F-43A6-8E9F-FAB9DC22BBCC
3
Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E1CACAC-E282-4242-8B95-6C96979DC8CA
4
Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|105178A3-0022-4DB0-A154-14088F5FF106
5
Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39940611-5714-4EB1-B129-73BD29D6BE45
6
Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9444194-8E8B-463E-83A0-4BCEEB4EFCCF
7
Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD413ED-C480-4E26-BF4B-5E4E660A5BCD
8
Ny halavan'ny ambainy iray dia telopolo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F72A419E-5073-4CE1-9DB9-6F8D0328DB2D
9
Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D12C1D8C-74A0-4BB4-975B-BB88786EE6C5
10
Ary manaova tadivavarana dimampolo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C250807-889B-4CE2-9BA0-EF48FC5D1681
11
Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|911868CE-067A-451D-9AB7-6537BE6D2876
12
Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCF33F78-9370-4DAB-BAD1-3E4BC19B53D3
13
Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA84620C-581E-4435-9062-A13EA4944DF9
14
Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB233586-E507-4656-9A46-9E6F633C492F
15
Ary manaova zanakazo akasia ho amin'ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A76967EC-402D-49E0-9F94-9E7A65703271
16
Folo hakiho ny hahavon'ny zanakazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zanakazo iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EE0A191-1E31-428A-836B-897AF5FE9D79
17
Lahiny roa no ho amin'ny zanakazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zanakazo rehetra amin'ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3AFD24A-4E97-40F3-82D7-AFB0E91510CA
18
Ary manaova ny zanakazo ho amin'ny tabernakely, dia zanakazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD30491-EA4D-46BD-A071-A2D703D8012B
19
Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD39CA91-C8F9-40DB-872B-7EC513E4D59B
20
Ary manaova zanakazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFAB72EC-023A-403F-B109-DD35B6C2FEE3
21
Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194C7B20-945A-40AC-84A1-90A01A743382
22
Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zanakazo enina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0314251D-EA0B-4297-9022-A658B0D1445E
23
Ary zanakazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|281145E3-CAA4-492D-9669-2D606FC7D41E
24
Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|408CF7AA-F514-4FCF-8852-F9B264ACC734
25
Ary aoka hisy zanakazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5442C811-799C-40CC-9A7D-815B9657E8AD
26
Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAFCF342-B726-4612-B012-117DB85E236C
27
sy barany dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2D55C32-C2F4-4151-890E-87B7468DD7F5
28
Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny zanakazo, dia hahatratra ny farany roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C1AA86E-4B8C-40C2-AC14-915A1D94C13C
29
Ary ny zanakazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3BD4A92-5CE9-49A7-AFB8-C25C09E8C78B
30
Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41A10E25-4492-4F1C-82F7-71DFB77D7FE4
31
Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0F7FF4B-85EC-44AA-92AF-EB30E9D62B45
32
Ary ahantony amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|289D5E8D-0600-4A3E-AEC6-A602D6F6BE89
33
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|845E8EAA-6A6D-46B7-822C-BF726C03B771
34
Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5EDB7B4-2F37-404C-AF83-7A5E9BA13F00
35
Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BAF7584-B741-4B81-8BF7-0A0B3453C15F
36
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEBE438D-10AA-4549-8BD5-9ED24B0613E7
37
Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55281FF5-2095-4062-95E3-BB83CCBFC705
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany