Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE4886B1-7D5B-43EA-A26C-CDE2AAD04BF7
2
Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B96B494-4EC5-46EF-8A49-488182018B5E
3
Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ADBEF30-EFF7-4DE8-95CA-1DEE648916BB
4
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5214E217-F283-4E90-A886-282CEFC93B8A
5
Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36BBF03-AFD5-47E2-93A5-18F5CF761D32
6
Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE3E6F3-1912-4617-962B-B2A4AB3E7B1B
7
Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E34FFFE-56F2-4AED-BF24-13D828623151
8
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FA42A3D-5064-4D9E-B121-72F374A17B54
9
Ary maka vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'ISiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31BF5CD3-6070-46CD-8257-71CBFB3848BA
10
ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAEE57E9-B998-4CE2-96E9-80528AA0E0DC
11
amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randrambolamena manodidina izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5157907-66B7-45B4-81DB-24C59421C15C
12
Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A83406F-4903-4BD5-8583-560A263D8DCC
13
Ary manaova randram-bolamena
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0041E66E-1B8E-4853-9D97-8A69417F3437
14
sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A8BFCE-C185-4379-B8CB-7DAE4BBC90B6
15
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C22B05B1-DC32-4F8A-B263-DABC10A95D6D
16
Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irainjehy avy ny lafiny efatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB34FBDC-B637-4A79-ACF1-8C5703B208F6
17
Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andàlana: ny andàlana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A58DB7C-8B61-4FD9-BAC8-B4776A2F2C41
18
ary ny andàlana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B12FE121-D62C-43F9-B9C3-4066C5F7EE68
19
ary ny andàlana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D77302C-4E31-4416-A4F6-276B32D3217F
20
ary ny andàlana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|377C133A-828F-4832-9FD5-C683B12153EC
21
Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8CB0EF6-6C1C-4C23-B4CF-97E7B0BE8E1F
22
Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF59E896-A2C5-4607-87A9-27E80ACB12E9
23
Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|655880DC-897B-4E94-9AA6-C60316C94925
24
Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CC4EEF5-1DA8-4D13-AF4F-F5BCFE511EFD
25
Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|133BE390-F077-4B4A-AAAE-F486A996D3F7
26
Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30281AD4-322C-456F-BC9B-96223700456A
27
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EE80F5C-2447-43FA-A136-846EA7B85B99
28
Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665EF725-F66C-4F52-8A6F-F384EDAF0DDE
29
Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7192D07-404D-4489-85FB-38C77E8E5D7C
30
Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrean'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E778E89E-5FC7-45AE-9FDF-443582D2C62F
31
Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB6381ED-5BCC-4D06-832F-247504AEFAF0
32
Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C56A0C1-3AD1-4984-B878-34DEF70E0EC7
33
Ary asio sarin'ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny morontongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|052CE382-9C39-4949-8F4B-5918C62C38D5
34
dia famohamandry sy sarin'ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny morontongotry ny akanjo ivelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B7E4521-7BCE-4829-B885-AA706CB9929F
35
Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4FCD8BA-3567-4BDD-B3F4-3B54123B2FC3
36
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73D6D1F-F477-463A-8A05-657C322DF467
37
Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C479FD5F-EEAD-4482-B817-40E4D4BB834A
38
Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isirae1y amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2479FA4B-02E1-4E2C-947F-7278B72EB582
39
Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D0B527-792C-445D-BEF1-CB0D392F236F
40
Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C84CD739-6ADA-43C8-8987-5F4F320BEA0D
41
Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFAF32C3-96FA-4CE0-A708-89C27FE7FC53
42
Ary manaova ka1isaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BE396A6-5EEF-4E91-AF36-D8115A68C06F
43
Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2809503-4F08-46E9-96A6-69A186F8A4AA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany