Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: maka vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BBEF0D5-356F-4B65-A2E5-F0B3469A3BD4
2
ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB9B03DB-18C7-426F-ADF4-A759463F2A56
3
Ary ataovy eo anaty harana iray izy, ka ento amin'ny harana; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A59279-8073-4C61-8F4D-4DBFA43EA5E5
4
Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3742EBC6-7B7A-423C-A8A7-3BB386319590
5
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5FC218-BBB3-44A6-82E7-F44CB05CFF7E
6
ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EC046C7-599C-4097-ADBD-B4D825360C26
7
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lahany, dia manosora azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79519DB1-4F4B-4596-96C3-E4D2C8E7E250
8
Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16DAE77E-EE77-489D-9B49-40E18E7AAF16
9
Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|144C9ACD-C3C7-4BB9-B648-DF87C9DCC434
10
Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|670DA030-8454-4C66-8C41-11FA7B263A6F
11
dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|817FF06F-49B9-4563-83A1-FEFD5C900783
12
ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny ra sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30775BDD-C4B9-4310-8F4C-E3B8C0E48596
13
ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6903655-59A3-4FC5-BB1A-15EC0CCF890D
14
fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny taindrorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0752C620-38F8-4084-B898-AA33B3512CE0
15
Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65552292-8373-4A73-B07C-EA98A6519333
16
dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny rany, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C384946E-195C-4B3D-95A6-1700DFF21CE5
17
ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59A09A45-8062-439C-972F-11074B5622CD
18
ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEFFBD62-DD8E-4868-9E98-0D2ECEC350B3
19
Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61ED18A0-749B-42AF-A450-261FAD0AE1F9
20
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny rany, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny ra sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA2DF4EF-A556-4F1A-917D-E6352B8EE0D1
21
Ary analao ny ra, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAD68943-1DCB-450A-BCE8-0B7099643497
22
Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E251B5B-5665-45BC-9293-CDC3BCA6A24E
23
ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eoanatrehan'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F901F7E7-FA0F-43D6-A62D-93DBC9D28B3D
24
ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB4FAD04-0ABC-4956-9E1A-039BC3A75DD7
25
Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22823B3D-F198-43AC-8B49-DDF6FB604A71
26
Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA24C45C-6A75-4278-9E27-75BD37B37EB6
27
Ary hamasìno ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A9107EB-6141-4C91-9D65-10DCBDA6BF94
28
Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C51DAD-80B2-4767-B84C-A28F2666F280
29
Ary ny fitafiana masina izay an'i Arana dia ho an'ny zanany mandimby azy koa hanasarana azy zy hanakanana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD5D11B0-3E5A-445B-99BC-B2B13E049BE7
30
Hiakanjo azy hafitaona izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90140C13-30B6-43F9-AF87-B403A929E83D
31
Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|780FDCA7-7484-4CFE-9CC1-B95BD5473CFD
32
Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E405D0B4-7089-41F5-9314-9DBC3CCE686C
33
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D2A9D63-1C3C-4F9E-A24A-13D5EEA4D478
34
Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|888F1805-D3ED-4E9B-B67D-46502C7B1132
35
Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C070D623-8FFC-4FAA-8A08-02959DFF9F91
36
Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan-andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy hianao; ary hosory izy hanamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3102AA1B-ED0A-49EA-8115-83F75AC3A17B
37
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC3B74BB-5DE6-4406-AB44-C1CC896ABA8B
38
ARY izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan-andro isan-andro
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D1AC9E8-5295-44BF-829B-353CA23ABC14
39
(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D739DB-F89F-4039-BC52-A1C492C97E53
40
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A9E9AAE-407C-45FF-8EB1-D99BDE7F4BF6
41
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA97FE26-B398-4A31-89DD-774AD2A4FDA9
42
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8CBCE6E-6FD7-46E6-9585-251E207659A6
43
Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09CE0EF3-0667-406A-A991-B95CB242C40F
44
Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA7F94BA-FE69-4F39-8C67-4C2371A0A39E
45
Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81271EF4-71F1-4577-958C-CE1EDD9A24F3
46
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1A940C3-9CC2-4DBC-BC1D-361E990C4EC4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany