Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B8D36D5-35C2-41C3-BC16-F8594D440A78
2
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6840167F-BFE6-4DB3-9377-FB4F9A224968
3
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49804CFB-E74C-450D-A1B5-A8F1D5C8A7FF
4
Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin'ny koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran'ny bao ireo hilanjana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AA58E8E-0190-425F-8BA2-A0989EBE34D8
5
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena. 30:6 Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3E49DA-90B6-4A0A-A6DF-9D8E2D190FF0
7
Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F26DF8F3-B1FF-48E8-8AD9-93651447DE4B
8
ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E40CED-C37A-4739-B49F-F5E46B093577
9
Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo hianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D65EB894-1BD6-4FEE-8B1E-F39F91D93001
10
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81215737-CB7D-42DE-870C-0CC482077647
11
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9654134C-24A8-417A-B823-9351181AC2C8
12
Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy hianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE0723A-89B2-4504-BC70-BDD021563B2B
13
Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D20CBA4C-9DA1-450A-94FD-8BF3F6D6298A
14
Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C58CD1F-5112-410E-9696-79E0095AF842
15
Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CA4EC05-3211-4433-BC46-97E9B7074276
16
Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely hianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C44F8B7-6255-478B-8871-1EDDFB8790EA
17
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC05C66-B4B7-4688-A6F6-FEBAE7C54C89
18
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|187750D9-0A1A-46B6-A85F-1FBDE836BD0B
19
Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A2431AE-0F8D-40B9-B6E6-B4B0F58E89B8
20
Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D276939-4F31-4ACF-922B-8B05CB1C3A1B
21
dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70289888-3D33-4701-883F-22ABD9DC4474
22
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC48B2F2-2020-4DB8-B6D4-EBA126B9D57C
23
Maka zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak'izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B8DEE6-5435-4164-AE77-7B94CA105961
24
sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70494B42-85D1-4906-98D2-931EBDB9AD12
25
dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaraharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6474185D-C836-46B5-A07D-CBA4F6A8396A
26
Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BDA7EB9-5277-418F-9B47-4BB74A22B4A8
27
sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48D2F4B5-0DB2-4EDE-89C9-8F577DC17F0A
28
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A4D8E0-4BC0-4016-92B8-55D96947B2F2
29
Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C43E8C5-775F-491F-947D-927B2C747023
30
Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6309856-5A63-4EAA-A1E0-BF4E68242F16
31
Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC30AFDD-31F5-42BE-A7CA-2D699389AE24
32
Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ECCA1CC-1968-4598-99E6-3D7B06DBED51
33
Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2DF59BB-3193-4A39-95E4-808DBEA00C6D
34
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0942DD02-0A9D-4CB3-93E9-80520DE55295
35
Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FF646D9-404C-4228-B396-F5033AC19063
36
Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE8D71E9-BFDF-4421-982D-0BD5E5D9FB59
37
Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CBA2F29-C544-40EB-A268-667B2D0BED79
38
Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B845C9AE-0879-4436-ABA4-9E0246A9D961
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany