Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E30FA36-C3F3-4F4D-88B7-C37D269DFDAA 2 ary aoka hivonona hianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0E50633-5500-4D17-A261-AA18A457A619 3 Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy hianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman-osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4075253-DD9C-49CF-A34A-8C1F6A6D1745 4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D853865B-D191-47BA-9CB2-3657981BE550 5 Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|449519F1-A266-4CF8-828D-EDA9E7F46B62 6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53B979DA-B049-4E8C-8F94-B25E5CD85B24 7 mitahiry famindrampo ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D4041AD-EC97-44D7-A4F7-10404B008A5E 8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E3C65F2-0626-454E-A75A-FBD2AC1B1D78 9 dia hoy izy: Tompo o, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CE7868A-671F-43B1-8A75-DFEBB7884C6E 10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90DA53FA-E449-47A6-83C3-60C99B47CF31 11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6CA0CD9-A8D8-48BF-927D-C7846BF58AE3 12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao hianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42975028-1783-416B-AEB7-F56F780FC1B3 13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E90F76B-94AC-4610-9C6C-9E712D3251DF 14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D1BFDBE-A6E7-48A5-AEF0-C6DBD8A88E1F 15 fandrao hianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy hianao ka hihinana amin'ny fanatiny; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D872055-E51C-433E-AC25-7207F329E96B 16 ary andrao koa haka amin'ny zanani-vavy ho vadin'ny zanakao-lahy hianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zanani-vavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F675E798-3D3E-4FBB-8626-22ACD6C57E81 17 Aza manao andriamanitra anidina ho anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|876842B4-585C-4581-A734-D361A5FA2EE8 18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3108039C-2171-46DF-B348-6765748F0990 19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman-osy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86697A00-43B5-4E7F-A59B-5ACE2EEF4E6E 20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy hianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D09064BF-52B0-4F24-9877-C04C0C005ABF 21 Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra hianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86C072AA-FC06-4CDA-9F2C-752E73C770CF 22 Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voalohambokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA7D37A2-4D48-428F-A0B8-699B97748721 23 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5696485B-C4F8-47FC-9C1C-F79C68022E54 24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02BB0D56-67F5-4448-923E-EFE1C9022179 25 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy hianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0F0F41D-A5D5-484D-8DA3-02354A9B23AD 26 Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45DE241B-FF97-4F89-939B-43E80C643529 27 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E799A1-56C6-4E2E-B26D-E2083FAAB729 28 Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8863AA5-27E2-413C-BCEE-DFDCFF179AD3 29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|285C2E54-2339-49C5-9D88-612EDAE0AA1C 30 Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DAA2C36-62EE-4A17-903C-F89C0AFCA7DF 31 Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51256C4A-49F2-4FDB-A4BE-1C2600F56066 32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D335B5C-9DDA-4A54-839B-EE97099FFA4A 33 Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A6CCAFB-C594-4E17-8E9C-D07B15E1B41C 34 Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DD656E7-5122-4817-9AFC-AB72014553CB 35 Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|737414F5-A204-4E38-892C-793C2AEC98C4
|