Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A40AC321-572F-4BEF-A246-FD0B4BF91863
2
Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CECF8AFE-59A2-4671-B5B5-2D9097FD8241
3
Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran-afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5498955-CD0E-433E-8FE2-8E4BA9D26A19
4
Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53A33CED-8C11-41CA-9192-FD64EDCE0C6B
5
Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63EA8E91-BB4C-409D-B64E-CFDBE59A04FE
6
Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A29A6956-A9DB-48FF-B202-771A71A436D9
7
Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC6C9D5-1D83-4726-B50D-44DE2074DD42
8
Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04E18358-2AED-44EE-BBAA-F6955646ED93
9
Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEBF00B4-8856-4CAC-9D30-BB9E6DB97FFA
10
ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|967399BB-F555-4EA9-94E4-59D851345249
11
Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5409B65E-CD92-46CC-A81F-051B544ADF67
12
Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CF3624C-7EC0-417D-A7D7-5F81D946EC07
13
Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25943994-90E5-432C-8DB7-7053A1A5DE2C
14
Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE52A0C2-8A57-4DFC-9C83-3C51CF7CBAA0
15
Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B182EF9-7959-4FC1-9351-035B6AF2AE4F
16
Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76E2B249-34FA-4866-98BB-8FDCC159D025
17
Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B760D6F1-1842-4BC3-B47F-9CA28B592602
18
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B8273D8-679A-4F50-B350-F7707B29D5CA
19
Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2641D1EC-9ECF-4E78-A7D0-DDF61584CA2B
20
Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52B1532-4888-4166-A2D8-8BD9D7C17E4C
21
ARY izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C07F85F1-0E96-4794-88E7-9957ACDDF3B9
22
Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8214AA4A-BFB7-49D1-9F9E-D6EE9AB2066D
23
Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B23CFC64-772C-4E0B-ACC7-FA2F5D68758A
24
Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17520B03-B06C-4472-831E-CE83B1630E4D
25
Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B10A36A8-864E-4A3B-B668-91DDEA96378D
26
beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D13D484-FB64-4EF0-B2D2-97E67292CF6F
27
Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20FA9D1E-2C83-407A-A132-BD600683D5A5
28
Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|763F4728-99B1-4E97-81D7-80E256BC8FD6
29
Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC0899D9-42E9-40C7-BF62-921BAB8929E7
30
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F55D349-2161-4FDC-99D7-7ACF376EA987
31
ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFF20358-3CDF-4F87-ACF4-FA2CCCFF22ED
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany