Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara,l hanaovana fanompoampivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|920FC21D-6D56-48A6-B399-31E7186315D2
2
Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48745938-382B-4E96-B9E6-B406F34A4083
3
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C15BBC4-CF90-4DB0-8D1F-C3C760F1C4F1
4
Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8A8C7A0-D02B-463E-ADF7-43E2E30678FD
5
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B2FFE88-C18D-4C3F-A28A-9D4DDF83BD95
6
Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72809C0C-B4EA-4FFC-BC61-002681143C26
7
Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD6309EE-814D-4B98-A4C1-84566F89CF2C
8
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5A75E6A-BCF3-49DA-83FD-39BD2B66863A
9
Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B3F7D70-DCD1-4EBF-8B69-F6BF43FFE023
10
Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andàlana: ny andàlana voalohany dia karne1ia sy topaza ary emeralda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFFBCE4C-FBE3-4676-BEAF-4402EA0B2725
11
ary ny andàlana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; 39:12 ary ny andàlana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA7AC937-CB18-445E-8678-7AC55C61B73B
13
ary ny andàlana fahefatra dia kryso1ita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72223DC5-1207-4491-8649-8BD318C5D121
14
Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F54DD13F-E79C-417A-933B-9C7C38DF49B0
15
Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D9CD20E-A13C-4B43-A5A9-A6D786E9530F
16
Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin ny saron-tratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C161203-1EFB-4C88-A38E-36C2138C51CF
17
Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E77E72BB-BD17-4441-872A-8E9006FFAE11
18
Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|985363FA-3C53-425A-8EFF-827984FBF088
19
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C597EBDE-9408-46DB-9937-999AA7F503BF
20
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744217F7-2B26-469D-B9A7-02C59DE04C6C
21
Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABCCB898-F849-4BBD-9362-01C92429AB31
22
Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B15D628E-79A4-431D-B49A-E62C2EDC65BA
23
Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BC81DA9-A547-47F7-9754-454A839897AC
24
Ary teo amin'ny morontongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1772B66F-F31E-4FE9-87F9-F2121491FC71
25
ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongabendanitra tamin'ny morontongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongabendanitra):
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93FE6BF6-2017-4AFE-B8B1-C78D8145BE3F
26
dia famohamandry sy sarin'ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny morontongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|290EFF4A-2912-40C3-AE24-D18050A00BD3
27
Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3EFFBF1-7F69-4CAE-9B48-A794B5B39932
28
Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|032F6B9C-3F2E-4D02-B005-B831B4D428F6
29
Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F7F2DEA-BBBD-405F-8E2C-E3CE7D82FEB5
30
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|359DFDE7-2227-4E17-8B93-10E34BDBACF6
31
Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15DD78D-33D5-4953-8284-F472A624454C
32
Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC952BF3-D6A2-4427-B219-856186F6720A
33
Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zanakazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F0A671E-8FB3-49BE-A311-D71CACCDAEE2
34
ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23C21AEA-3011-444B-8F70-B4EF87D05530
35
ary ny fiaran'ny Vavelombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E72707A6-7081-43B7-955C-A1404ABC80BC
36
ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FB7C3C1-25CF-4512-94CC-A972CB04FEBB
37
ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D84CA3A-6857-4675-94BE-A0DDCAFDE5AC
38
ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F753BDB-8EB2-4541-82D6-7872268E3AF2
39
ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|847A8EBC-6F6A-4A0B-81A1-2FD2072F24B4
40
ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52EAF9BB-D4E7-4A6A-883B-E14D6990411C
41
ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|308E44AF-08FB-4732-AF7E-52189B577CEE
42
Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3485841E-B7A3-4D1C-8D90-C25B225AF2F5
43
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|103B1CF7-8D3E-4DDE-B249-44F7D96C8357
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany