Eksodosy 40: 1-38

Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F47F8CC-67E4-4AAB-853D-998353929612
2
Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD5458D4-5B15-4953-99B4-250438A14116
3
Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantony ny efitra lamba hanakona ny fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D50A174D-6731-467E-9B8A-7977ACDB48CF
4
Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B750881-5684-4EB0-8EB0-5F685A870214
5
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6466510-889C-4790-8215-AB8EC9B8D214
6
Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|794DA22A-26B2-4E43-AE7D-E67169889E51
7
Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8DE49B4-ADCF-4C28-9CE1-CA4383BD731E
8
Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantony ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A445685-EE14-41CB-8F1B-0EA0CD118A82
9
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C371326C-8ECA-40F3-8954-ED1B4DB47405
10
Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24AE823F-2E92-4B2F-BE17-A4D0D52451A4
11
Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40ED8355-8C0C-45EE-AAF8-CFDFFE944BCF
12
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FBB17A7-6626-4331-A1A1-3663085D29B7
13
Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|378A074A-1876-4DBD-9852-FBEE1FD36196
14
Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCAD523F-D211-49AC-8CD3-AA68E48913AC
15
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54E4BF47-F966-4E23-BC0F-6F42CCD475E8
16
Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58B40F31-825A-4AB3-877E-4A53273043E6
17
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84A65FA8-C2FC-434E-94A1-C59C9BC0C0D0
18
Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zanakazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C4CC866-02E0-4746-88BF-CB4EC5DEBDA6
19
Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFF3596D-0C9B-4A58-97E9-20A3B0000D0C
20
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F80F12B-60EC-4C48-A1AF-E42C80290EBA
21
Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77477FE4-2BF6-4B63-81AF-F7779A57A18B
22
Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|857CAA62-09BE-4EE1-A57C-6FD52E6460C7
23
Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38D75D55-6A2A-40FB-A96C-1138EE13B29A
24
Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2C76C2B-C6E3-4577-A9F4-3276185538EB
25
Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6270E228-9920-47F8-9955-9B318B2F2C30
26
Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ABA4889-2072-4714-B2F2-52855D43ED8B
27
ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah ah'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD99775-CCBD-448D-A1DA-E38B982ADA2C
28
Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB759130-6A60-41C4-A726-653AD71BC56B
29
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jebovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41176FB7-0CB8-443B-9B28-2DB71CC1E83A
30
Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F40A3FAA-DCCF-4A0D-9C08-91217ABE7661
31
Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F72C7314-621F-45CE-A3C9-EBCD947D0DFA
32
Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB4E1E58-EAD1-45B0-AA77-BFFB3A9716A2
33
Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94C37A2E-2FE0-41EA-8340-69578F9FC2F3
34
Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86A0C2F9-C8DC-42B1-881D-B23C95698B08
35
Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny vonihatr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69BFB732-94AE-444A-A818-AD25D4D5DC70
36
Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FAC49BD-F3B9-49F6-93E3-05A1A0F15CF1
37
fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A61D6AA-FA7A-49F1-980F-617894D1372A
38
Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9AB4857-B8E3-42D5-895B-9BF5AD1A31D2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany