Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD42048B-3CA6-4BCF-A54D-B9B79A2730DA
2
Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A8C63F-7E61-4423-A12B-8A89DBDBB255
3
koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9502D7A-A084-4B80-93F1-8988B7672EDA
4
Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C25724B-87A3-4337-A7AD-0F876F12EC49
5
Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F31B84D-C57A-4280-8CCF-C4209CA9916F
6
ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F1217A2-0C17-4F67-AE00-D61A2573B7A2
7
Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisororta ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E58A2826-9814-4BC1-A4C2-8D866ECFED00
8
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FAE4961-3968-444A-9BE0-AD45ED98EA7A
9
Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A3DCDA0-D707-4E4D-B3D4-BB81D62E5138
10
ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mathontsina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6F1E206-17DD-4330-BCA6-D1149F82B4F5
11
dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED0E9046-B8CA-4677-AE2D-616A26A257EE
12
Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|377B74C4-ED21-4CA7-87CF-559C387B06B0
13
ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|976A270B-BAC1-4744-BAEE-84D35F0D5071
14
Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DD2DC18-58A8-491B-9750-6660DF205F4F
15
Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7167242C-7FB6-47DB-8EE2-BBCF24C89204
16
Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695AD25A-3D37-47DE-8B6E-F43D67E1D118
17
ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF63F2BB-93D1-492E-9252-5E2C155BDDB9
18
Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5A260D6-2AD9-443B-8F50-3F8343A061A3
19
ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E256CDF9-7BA1-46B0-B952-49DC955FE6F4
20
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|944BA2F3-6BA0-4131-A080-0AFDE2629366
21
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona teorana hafitoana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EE031C9-82E1-4100-A139-4046C0129A4D
22
ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05E15732-1DED-4E92-B6BD-FE4B796A25EA
23
Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798AF80D-15FE-47FB-9112-998180D17694
24
Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1415C502-BDDC-4F2A-9D97-D47AA60E741E
25
ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB060EC-337C-4B68-84D3-3BF6CBB6FCEB
26
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2C630EA-8C7F-48AB-B99A-53E2D16D33BF
27
ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|229675EF-345C-46BF-B45A-DDC8AFA54511
28
Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E455A986-0B63-4CB6-9659-989B107C445A
29
Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6CB4037-CF3D-4E50-85A2-7C046F58EACF
30
ary zahan'ny mpisoroana ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eoamin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A64CDA4F-7C5B-4CAC-AB7D-AD041C8ACF35
31
Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2185B1CB-9B10-4E74-9346-B7337BCFA4D3
32
Ary raha zahan'ny mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, aty tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B4AF194-31F5-4CAF-A969-305981902ED3
33
dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63FD21EA-21CC-458B-B05B-3BD61717824A
34
Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5CCE00E-4465-41E5-AC86-BBDDD89402F0
35
Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63F4393B-24C9-4E3C-BFCC-C5B29D767256
36
dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14E4FE19-FD95-437F-8239-6A5306D12C42
37
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|183D0D40-DA75-44FD-90B9-01F1C782CC33
38
Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3969D4E0-6A05-4B0C-9D25-3BCABF053BAF
39
ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentinpetina fotsy mpoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5444EF8B-1301-4F05-B0AB-AC768C1DD5FF
40
Ary ny amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50B0A759-9183-4394-A9BF-16A98DF6674D
41
Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB4209E2-0D54-430E-8305-1CA0C5834D58
42
Fa raha misy aretina teramena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93F2579F-C7E5-4A7F-9409-F83765EAB8E5
43
Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa teramena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E81FAA04-94DA-438D-9EBA-0C7BD056FEEA
44
dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E36CC85-F0E1-43FB-8E93-AC3A336ECB8C
45
Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD7A69D5-D5FC-4274-A8B6-A08A3DCFEBE7
46
Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no iteorany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|329FDFBD-D339-4262-8F42-3A0AC16C54DA
47
Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D42716E-DE61-42CD-875E-AEB277BAEF81
48
sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E1B982B-E21E-45AC-B426-426DA6B9E2D9
49
raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C3FF01D-14A4-4CA0-9CD8-66D69281B7AE
50
Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38D7138F-AC87-4C2D-8ABA-8E520BE4E827
51
Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633577ED-E28A-490D-BF8E-4391DEF1C053
52
Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C55104-BEF8-4870-97C2-FA4509215600
53
Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BE4185B-66DD-41FE-BDC8-36B44D7FA8F2
54
dia hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F50467E0-62B7-46AB-AD59-9CB516EFF7F1
55
ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany. 13:56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB907E68-0E10-4757-82BE-5EB0086C1175
57
Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hdorana amin'ny afo izay misy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DE10099-EB18-4673-942A-632C6AEAB620
58
Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44C9F7EC-66B0-404D-92C9-EB8931899CF4
59
Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9B54739-8CCC-41CF-9968-3C0882448620
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany