Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F65FE4E-D6F0-4F8C-9E82-001712D59E81
2
Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC1E7F01-2741-44A6-A394-3D5A35213641
3
dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F95795C6-AA31-4E78-93F2-E185821E4DB4
4
dia vorona roa avelna sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ha an'ilay hodiovina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8EDFC79-AF72-4A88-A6A9-4EF3F6E70FDA
5
Ary hasainy hovonoina ny vorona anakiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rrano nalaina tamin'ny rano mandeha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15AECFDA-4BF0-4DF8-881D-0ACBACD15D6A
6
Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9FEBACB-94CB-4E83-A750-4BA48A463F00
7
Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5C99AEF-C54A-4942-84BD-09606220AC4E
8
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|308971C0-17DF-4545-B76B-77B24E1424C8
9
Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1602C64E-BCEC-42F6-8925-133586BE2E3D
10
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavay iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CBD4429-E9F0-4280-B235-B3094465C771
11
Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A61628D0-9725-4BE7-B75E-FB4534E5AB2A
12
dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F879C3E9-CF40-4637-B3D5-12294DA9FC37
13
Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F96BFCB-0078-45EC-BC99-91A244E17E23
14
Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA1D3D2-645F-4B0D-B600-9A02DDD14216
15
ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny o am-pela-tànany ankavia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEC6C25C-D958-4B7A-8896-4DFE566CA8B6
16
dia hatsoboky ny mpisorona ny fanodrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pela-tànany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DF12CBD-C6A8-4457-B71C-FED4F959FABE
17
ary ny diloilo sisa eo am-pelatànany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CBEF6D5-9F81-4984-ABF8-52483A17423C
18
ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74FE308C-983A-4E9D-A66F-F1111DBC93F3
19
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF85DB25-334D-49C3-B7C3-D8385F57B484
20
ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ECB6A34-A093-4A28-B06E-9A9EF5259042
21
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto fray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6272ED32-02AD-49E1-8F1E-680D0467311A
22
ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2BE43F1-6557-48FD-8148-5AEC245297EA
23
Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC9AE60-55D9-4D27-BA29-4B66CFD14BAE
24
Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F63EA263-7ECA-43F9-BF55-1BB88E88FE73
25
Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477849E6-37BE-49E4-98A0-CCF563F4F29A
26
ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0775953C-127B-4CFE-86A8-8B99418D1CFC
27
dia hangalan'ny mpisorona amin ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E77FF28B-62C8-4EB9-8AC2-4EF4B17DAF73
28
dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravintsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5489F639-843D-413A-9B19-3DA27D0B9A70
29
ary ny dioilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC87CA0-2076-4000-AC96-3139CDE3364E
30
Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76BD36CF-D26C-4D6B-8654-74DE6B4B5169
31
dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3654B2E2-5F56-4101-B904-BCCBD09BDFBF
32
Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BAE54FD-DF60-42FD-B856-2EFC1B7290D0
33
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70E20F34-8A4F-4869-8DB1-1CA09639C0CA
34
Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo hianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B509FA6-331B-45C9-BB7D-9A9F22014444
35
dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B5A2134-F199-4886-A447-E8C2CA97FD1F
36
Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandrapihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mplsorona hizaha ny trano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8A4557-9E9D-4706-A7B7-811F68386323
37
ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B222E52-D825-4475-B2AB-19DC5AE68699
38
dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBF5BB59-D786-41E9-BA84-13DCD4F3AD4E
39
Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12512BAB-17A9-4BD9-8EC3-FF155E7EDEF6
40
dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B5EA4D-D5CC-496B-9F75-0AFF5DD5CE78
41
dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maboto eny ivelan'ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8A4F2B9-D990-4287-8798-60F166BF6DDC
42
Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14BDA6E6-9D3F-470D-AFCC-EA5019FF7FDE
43
Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCB71A9C-6116-45DB-9176-CB68F5AFEC52
44
ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447AE1D4-4A77-437D-8200-5BF1F696A404
45
Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C0A66DB-873D-4885-A18A-BA67C879FDA7
46
Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC11968F-D7EF-42B0-B98B-C7CF909155E5
47
ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|055171EC-D6B2-4943-8682-5287DFBC9AD0
48
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C81BF3D0-AC65-4E78-A9CD-ACA9B3F4017C
49
Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C783242-8800-4009-9D99-5BB2B5A0F637
50
Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADC81B1-5D2A-4925-973E-A4DBAFAF01A2
51
dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E36A7FD-AC11-43E5-BF88-BC98F7D74CCB
52
Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1E94F48-C830-49C2-B880-8F3104419207
53
Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|745D9F36-0BCF-4077-9879-731168C447DF
54
Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E48F34A6-D43C-4AC0-A560-59EB1DDF8B44
55
ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0432BFC-B4E4-4542-ABEA-73FBC62AD650
56
ary ny amin'ny mamofitsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B454869-CDBD-4E22-96B6-E0FCDC935B33
57
hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C017C231-0F21-4691-BFA2-9D33A9AB8662
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany