Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABB0A1C6-ECE9-493E-A621-F48790FE22B3
2
dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba ty hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2158DBA3-907A-426D-989A-6B87A874EFE1
3
Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ABB63FC-8104-4A14-8DCF-3AB2BA3EAB75
4
Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEFF1EF2-3A1B-4815-ADDB-B1E7A109D97E
5
Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C22A631-768B-4D0F-BC6C-ECD7994CF596
6
Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D16315A8-2871-4DE7-A231-D310104F6C16
7
Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B95A4487-F78A-4EF0-93E2-FCA780855D15
8
Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'l Azazela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|943015C2-1389-44D9-9B1F-A82315D9CAE5
9
Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B19CADC6-EB3B-4A31-8613-155E809F356C
10
Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67EFD860-6B19-4577-8A4B-65412B1EA35E
11
Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42E6E7B8-12E4-4D28-8FCF-E7D576C5BA51
12
Dia haka vain'afo eran'ny fitondran-afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39ACB2B0-43B7-4AC1-A75C-B9F9312D596D
13
Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavobombelona, mba tsy hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|645BFCC5-699A-461A-8110-CF152038C24A
14
Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny ra impito amin'ny fanondrony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77CDA3C0-70E7-46E2-A683-A0168102F580
15
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny rany, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBA89E52-55FA-4D16-91A6-43801A738D3B
16
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C296FC40-A5CA-4A83-B39B-8AD2637AFE97
17
Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96CF6661-6264-4A7F-837A-C9C8DC128222
18
Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|379E69F6-80A6-46FB-9E35-4BA413940E2D
19
Dia hofafazany ny ra impito amin'ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B68C2644-206C-4707-A3F2-29537E3A662C
20
Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFCA7AF1-CB45-4138-A489-8B0C34E116F5
21
Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2C0C2D1-E3F6-4711-9FEF-08D639C36745
22
Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC68BBE0-AAF6-4CE5-BF4D-ADD560595E0E
23
Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE8DC329-914E-48EE-B2F7-73E87C40E7A7
24
Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1AF03F6-5F17-44D3-9678-242AE419D653
25
Ary ny saboran'ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C69DE29-C170-404F-8B4E-DD3F45ADFF81
26
Ary ilay mandefa ny osilahy ho an'i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED5E9327-1131-4942-9E57-204314CA8B43
27
Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny rany hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07C79261-D7B9-4BF6-9E63-0407F74601E7
28
Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A780F8-3B8E-4A24-A26D-F0701D4AE19C
29
Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo hianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3B360A4-F3FD-4517-8454-79AA76CF1AD7
30
Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra co anatrehan'i Jehovah hianareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49000A1E-985C-4D29-A34C-16D41FFEE2FD
31
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo hianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01DE1CAC-E75E-441B-83DD-55753AB80E85
32
Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongo fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E3F28F1-99D0-416B-B862-B517E215577B
33
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DD5C74-AE7A-45E9-8CE3-466EE2072149
34
Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6686F9C-B593-49AE-A67B-4046F8D5913F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany