Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEE96146-0471-4DF0-9CA9-ECCCBE5F57CE
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C42A9263-3F61-4301-AAAA-A140D4926F31
3
Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanàna, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|985D7AA8-89B0-4D40-A059-28B1373D9015
4
Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5D98E6-C41F-4FF3-AD1B-EC54EE7DD820
5
Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D933349-B397-42BB-98E8-4C37B0B764FC
6
Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho. no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7332329-FAED-4C1F-AE35-67164B85D397
7
Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D050C3F6-44D5-4B2B-9A78-9D5C37147010
8
Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D1D0BD9-2546-4F3D-A139-392688F5FC01
9
Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AF46CCD-D30E-4E11-8E31-0CA09D12DBC7
10
Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D09FAA8-B22C-4211-8502-723AB21BBCE7
11
Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0AAA59-13F6-4652-A563-A77E643659C8
12
Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|775305F3-9918-4BB5-AC06-0055FF985A36
13
Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D310EE9C-376D-43E7-9FC5-886E711EA034
14
Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86F27BBF-5E95-4409-9005-14210BB38DE5
15
Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F16C2C7A-6C88-4559-BAC5-6D38F4DE299D
16
Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2CA406-5C56-4F70-A3D8-6BBBEF575CA3
17
Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zanani-vavy; aza maka ny zanakavavin'ny zanani-lahy, na ny zanakavavin'ny zanani-vavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A0BA92A-FE3F-44AE-9AB7-C81D746AC59D
18
Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D18B493F-ADD9-464C-8A0F-269DA4377286
19
Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadimbolany handry aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFB6E671-7EFE-4819-A4CA-DC91ABA2D331
20
Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|538EF30A-588F-44FB-9CC9-012370EBD587
21
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EF8DFF5-6044-4143-A0F1-BE14D2BBD331
22
Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8916635B-240D-41D7-BEDD-7DED13ADF37F
23
Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DE79A59-401B-4FB2-AB06-D490CD4874ED
24
Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|581ECA62-7A24-4E36-ABA3-C95A5371EF4A
25
Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883705B7-342A-4DF1-BB97-CEE2FF421CB0
26
Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko hianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DE4CCF6-54C3-492B-8904-D1E3F62D0E2F
27
(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|478A264A-A279-423A-AA69-97FFE0BFA178
28
mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB9F35E-F517-4EE6-A554-F06C03E83823
29
Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75F27BA5-17D6-46ED-A74D-4143F5CB158D
30
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|409EEB07-AC84-4343-A00E-8191CE48CCA1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany