Andininy
Protestanta Malagasy
7
Dia manamasina ny tenanareo hianareo, ka aoka ho masina hianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5E26F54-B9ED-4E06-9B78-F54979AFDB2E
8
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DAABAD7-1988-4E5E-A8F0-95A0F935FB20
9
Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny rany dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E402FF9A-DD6F-44B5-9D3E-7A671B517065
10
Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D8C6488-2A94-4F8E-8961-9FF9841E796B
11
Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny rany dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB60A6B5-6D48-4E9B-AF7B-67A90C638DF7
12
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny rany dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5369BBFB-204B-43C2-B1BD-84387E60AA74
13
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny rany dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A84A5841-3882-409C-B39A-2CEBE37599FB
14
Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5252C08-C3A8-4E82-BF48-AA35BBDC52BD
15
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2956CF84-9FEF-48D6-A9B7-B18CB4F7EE73
16
Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny rany dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CEEDEE4-AB10-4190-95B3-5290CE0F42E7
17
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA4AC506-0614-497F-8F18-6BFF1FAA6D21
18
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadimbolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny rany izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny rany, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCD92B0D-AA50-453A-96AA-6FA17095C732
19
Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7681F8B4-637F-4E08-AE7F-9721DA3612B6
20
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|392AC399-E510-4E1A-8BD7-F016A624B927
21
Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F72A7C3-32E2-4177-9DB1-9DE7A8BCBA1C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany