Andininy
Protestanta Malagasy
17
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28F2BF8F-158C-4827-B252-30B42A2D5F28
18
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6254BC54-D420-48C6-BFAA-AE44EABD6FBC
19
dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E86F6E17-84B3-4F35-BA88-76FD9D8EBDF4
20
Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53819FFA-CD21-4189-9DB7-7A11EB908295
21
Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65DB98D3-12D1-435E-B1C6-9E4107187174
22
Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD1BD663-CCBF-4B80-B786-BBA91030C23F
23
Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D9E9836-77C3-4056-8DBF-70E115A73FEE
24
Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF5FD9B9-C995-45AF-A2A2-BDCE04CA32CF
25
Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55C0D370-AA2F-4CFF-A30E-31E5CF280C38
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany