Andininy
Protestanta Malagasy
39
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany hianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D85662F7-D3EC-49CD-8224-AC8B5BFCAA6E
40
Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mkirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5896F09-5B3A-4537-9F0E-103748BC1B4C
41
Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2285E13-CB98-4253-8C6E-C5158E2F027F
42
Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59521CB2-2A97-400F-8584-BAF62E7E3ACB
43
mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95F39EC2-48FE-47EC-870A-F8E981D1EF2A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany