Andininy
Protestanta Malagasy
40
Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EFD8EC4-588A-4C45-99AA-0CBFCF1464A0
41
ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63917773-58E3-46C2-AA9C-3436C422276E
42
dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamln'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFA07163-AE93-4928-AC80-8BCFE5D4345B
43
Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BEE250E-3ADB-4E00-8305-5060EADDC35D
44
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. 26:45 Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andniamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CF02B77-A078-4705-A012-463B0BC85129
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany