Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD17D019-F7FA-4309-888A-558DD32C3355
2
Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny ra dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06327C99-690F-422F-9C29-BAE89B6596E6
3
Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E29C11DB-5AD0-428D-B112-76956FBE847B
4
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41A19658-B808-4DD0-B63D-E31E010A2C31
5
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1726C51-F549-4A95-BFD7-6C2150E36A48
6
Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F193AACC-51EA-4E0E-A60D-BCAEF5FA762C
7
Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B906F793-E48D-4BF8-B02B-54A1F42F6968
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany